Alatsinainy 25 mey 2020 — Herinandro fahafito amin'ny Paka — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 16, 29-33 — Mandehana, mampianara ny firenena rehetra. Indro Aho eo aminareo ambara-pahatapitr'izao tontolo izao.

Alahady 24 mey 2020 — Alahady fahafito amin'ny Paka — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 17, 1-11 — Tsy havelako ho kamboty ianareo, hoy i Jesoa, fa handeha Aho, ary ho avy eo aminareo indray ka ho faly ny fonareo.

♦ Hisy fitsapa-pahaizana ho an'ireo mpianatry ny sekoly katôlika ao amin'ireo kilasy anelanelany amin'ny fiandohan'ny taom-pianarana vaovao... ♦ Efa misokatra sahady ny fisoratana anarana handraisana mpianatra vaovao amin'ireo facultés sasany eny Ankatso... ♦ Nahemotra ho amin'ny fotoana manaraka raha tokony ho omaly ny fandinihana an'ilay tolo-dalana vaovao momba sata mifehy ny mpanohitra...

♦ Niampy 45 indray ny olona mitondra ny tsimok'aretina Coronavirus eto amintsika raha ny tarehimarika omaly... ♦ Ny Paositra Malagasy no mitatitra ireo tambavy CVO vokarin'ny IMRA, miainga eto Antananarivo ary aparitaka manerana ny Nosy... ♦ Minatso ireo parlemantera miatrika fivoriana ny fiatrahamonim-pirenena misehatra eo amin'ny rano, ny fanadiovana ary ny fidiovana...

[Miara-dàlana] Zoma 19 septambra 2025

• Hotanterahana ao amin'ny kianjan'ny Kolejy Masina Misely Amparibe ny alahady 21 septambra 2025, ny fanamasinana ho Eveka an'i Mompera Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Nankalaza ny fanandratana ny Hazofijaliana Masina ny Diosezin'i Port-Bergé... • Mamelona indray ny fanantenana ny famafana ny ranomaso, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fankalazana ny Jobilin'ny Fanalana Alahelo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...