Rehefa miventy ny fiekem-pinoana isika dia voalaza ao any hoe " izaho mino ny fiombonan'ny Olomasina", noho izany dia misy tokoa ireo Olomasina. Ny Eglizy katôlika dia nanaja azy ireny, fa amin'ireo karazam-pivavahana maneran-tany dia maro no manaja ny Olomasina toy ny fivavahana Jody, Silamo, Prôtesanta, Ôrtôdôksa saingy misy maha samy hafa azy ny fomba fivavahana... Katesizy momba ny miara-mivavaka amin'ireo Olomasina, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.

10 desambra 2024 — Talata, Herinandro faharoa amin'ny Fiavian'ny Tompo— Indro avy ny Mpanjaka, Tompon’ny tany, ary Izy no hanafaka antsika amin’ny jiogam-panandevozana — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt 18, 12-14)

  • Efa misy ireo rantsa-mangaikan'ny CENI eny amin'ny Distrika no niroso tamin'ny fizarana ireo fitaovana ampiasaina amin'ny fifidianana, androany...
  • Tsy azo ekena, rehefa tsy voalazan'ny lalàna, ny naneken'ny CENI ireo Sefo Fokontany nanangona anaran'olona sy nangataka “ordonnance” teny amin'ny Fitsarana...
  • Hitohy ny fanatsarana sy ny fikojakojana ny foto-drafitrasa mba ho tombon-tsoan'ny mponina, hoy ny Governoran'ny Faritra Anosy, Vohary Rakotovelomanantsoa...

  • Manentana antsika rehetra hivavaka ho an'ny vahiny mpitondra fanantenana, ny Papa François, amin'ity volana ity...
  • Feno 19 taona amin'ity taona ity ny fivahinianana masina fanao ao amin'ny tanànan'Andovoranto, ao amin'ny Diôsezin'i Toamasina...
  • Seho mahatalanjona sy mampihetsi-po ny eny izay nataon'i Masina Maria, ka nahatongavan'ny Zanak'Andriamanitra ho nofo, hoy ny Papa François omaly, tamin'ny fampianarana nataony mialoha ny vavaka Angelus...

[Miara-dàlana] Zoma 30 mey 2025

• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...