Ny hakiviana sy ny alahelo dia isan'ireo fahavalo tsy hafahana mitolona amim-bavaka. Misy ny hafaliam-panahy ary misy ihany koa ny mifanohitra amin'izany dia ny fahoriam-panahy. Ny Alahelo vokatry ny fibebahana sy fandinihana ny fijalian'ny Tompo dia miteraka hafaliana, vokatry ny fahasoavana noraisina. Ny hafaliana vokatry ny zavatra ratsy natao dia zary alahelo... Katesizy momba ny tolona fanao amim-bavaka, iarahana amin'i P. Rabenirina Joseph.
Ny takalo no talohan'ny varotra ; "fihaonana" ny niantsoana ny toerana nahafahana nifanakalo vokatra taloha fa ny Mpanjaka Andrianampoinimerina no nanova ny fiantsoana ny toerana mamaly ny fepetran'io takalo io ho "tsena." Ny takalo dia fifanakalozana vokatra na zavatra heverina fa mitovy lanja na vidy (Entana hasolo entana). Ny vola dia efa nisy taloha elabe ary ireo vazimba dia efa nampiasa izany ; ny vola tamin'izany andro izany dia natao hoe "Cauri na coris", vola nampiasaina taty amin'ny faritry ny ranomasimbe indiana sy ny vondrotrany Azia...
• Nanentana ireo olom-boatokana handray andraikitra ho vavolombelon'ny fitiavana sy ny fahamarinana eo amin'ny fiaraha-monina, ny Arsevekan'Antananarivo, nandritra ny fankalazana ny Jobily nasionaly ho an'ny olom-boatokana eto Madagasikara... • Nigadona tany amin'ny Arsidiosezin'i Toamasina, toerana hanatanterahana ny JMJ Mada 11, ny Lakoran'ny JMJ sy ny Icône an'i Masina Maria ny sabotsy lasa teo... • Aza mamaly herisetra amin'ny valifaty, hoy ny hafatra fanentanana nataon'ny Papa Léon XIV omaly, nandritra ny vavaka Angelus...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco