Ny mpampita fampianarana ao amin'ny Eglizy : ny Aban'ny Fiangonana atao hoe "Magistères" ; fa araka ny ampianaran'ny Papa François ao amin'ny katesiziny (laharana faha-29) manomana izao taon-jaobily lehibe izao, sady voalazan'ny katesizin'ny Fiangonana Katôlika rahateo (KFK 2685-2690) dia manana adidy lehibe sady voalohany ny ray aman-dreny hampianatra mivavaka... Katesizy momba ny Eglizy, Reny mpampianatra mivavaka, iarahana amin'i P. Wagner Randriamampandry.
17 desambra 2024 — Herinandro mialoha ny Noely — Ianao Filohan’i Davida izay mamoha ny varavaran’ny fanjakana tsy manam-pahataperana, avia ary tsoahy amin’ny fatorany ny voagadra tazonin’ny haizina — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio 1, 1-17
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco