♦ Niakatra laharana iray i Madagasikara, saingy miiba ny naotiny, araka ny tatitry ny filaharan'ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety nataon'ny RSF... ♦ Voatendry nandritra ny Filankevitry ny Minisitra notontosaina omaly ny Tale Jeneralin'ny orinasa Jirama... ♦ Hiditra amin'ny andiany fahafolo amin'ity taona ity ny hetsika ara-toekarena sy fizahan-tany iraisam-pirenena ITM...

Olana mbola misy eto Madagasikara ny tsy fanjarian-tsakafo. Ny andro sôsialy dia hetsika fanao isan-taona izay karakarain'ny APSE "Apostolat Social et Écologique", avy amin'ny fikambanan'i Jesoa ; amin'ity taona 2024 ity dia amin'ny 16-17-18 mey no hanatontosana izany, hetsika hiresahana ny tsy-fanjarian-tsakafo. Ny fanjarian-tsakafo : fahafahana misitraka sakafo, fahefa-mividy, fahafahana mampiasa sy mihinana sakafo. Fandaharana "miaina sy mitia" eto amin'ny radio Don Bosco, iarahana amin'ny Ivon-toerana Arrupe Madagasikara.

♦ Notendren'ny Papa François ho Eveka ao amin'ny Diôsezin'i Maintirano, i P. Rakotoasimbola Clément Herizo... ♦ Marihana sy ankalazaina anio 3 mey, ny Andro Eran-tany ho an'ny Fahalalahan'ny Asa Fanaovan-gazety... ♦ Olon-tsotra iray, naratra teny Ankatso; mpianatra iray no naratra ary mpianatra iray hafa torana, teny Vontovorona, vokatry ny fandravan'ny mpitandro ny filaminana ny fitakian'ireo mpianatra...

Zava-Masina sy ambony ny mariazy. Ny mariazy dia sakramenta raisina vokatry ny safidy, izay ilàna fiomanana amin'io iraka io, dia ny ho vavolombelon'ny fitiavana sy hanohy ny asa-pahariana. Ny mariazy dia tandindon'ny fifankatiavana mandra-maty, fankatoavana ny andraikitra feno amin'ny maha ray sy reny, taratry ny fahaleovan-tena ihany koa. Katesizy momba ny tanora miomana hiditra tokan-trano, iarahana amin'i P. Thierry Germain Randriamiarantsoa. 

[Miara-dàlana] Alatsinainy 30 jona 2025

• Notanterahana ny 21 sy 22 jona 2025 ny hetsika entina hanohanana ny Seminera Zandriny, tao amin'ny Diosezin'Antsirabe, sady nankalazana ny fetin'ny Sakramenta Masina... • Katesista miisa 11 no nahavita fiofanana nandritra ny folo volana ka navoaka tamin'ny fomba ofisialy ny 24 jona 2025, tao amin'ny Diosezin'i Farafangana... • Nataon'Andriamanitra ho vatofehizoro ny vato nolavina, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly alahady, nankalazana ny fetin'i Masindahy Piera sy i Paoly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...