♦ Miaka-dapa eny Tsimbazaza nanomboka androany ny mpikamban'ny governemanta tarihan'ny Praiministra Ntsay Christian. Fotoana ahafahan'ny solombavambahoaka mametraka fanontaniana amin'ny fahefahana mpanatanteraka momba ny fizotry ny raharaham-pirenena... ♦ Mahatratra 100 tapitrisa Dôlara isam-bolana ny vola nomerika mivezivezy eto Madagasikara. Tsy maintsy amafisina ny fahamalinana manoloana izany hoy ny Tale Jeneralin'ny SAMIFIN... ♦ Nanomboka androany etsy amin'ny CCI Ivato ny Foara Iraisam-pirenena ho an'ny Fizahan-tany (ITM) andriany faha-11 sy ny Foara Iraisam-Pirenena ho an'ny Asa-tanana andiany faharoa...
Ny volana "JONA" dia fotoana natokana hanehoana ny fitiavan-tanindrazana, ny antoky ny fampandrosoana ny firenena dia io fitiavan-tanindrazana io. Ny volana "JONA" dia volan'ny Fanahy Masina, fanilo mitantana sy manoro lalana ny tsirairay ; fa volan'ny tafika Malagasy ihany koa ny volana "JONA", mampiavaka azy koa ny maha iray volan'ny ankizy azy. Ny iray volan'ny Teny Malagasy dia afahana manasongadina ny fitiavan-tanindrazana ihany koa ... Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
♦ Hihaona amin'ny Papa Léon XIV any Vatican ireo Evekan'i Madagasikara ; izy ireo izay manao fivahinianana Masina ao Rôma... ♦ Mitodika eny Tsimbazaza ny fahalianan'ny mpanara-baovao politika. Hihaona amin'ny solombavambahoaka ireo mpikamban'ny governemanta anio sy rahampitso zoma, horesahina ny fiainam-pirenena... ♦ Hotanterahana eto Madagasikara ny herinandro fampiroboroboana ny Indostria ao amin'ny SADEC. Hetsika hotanterahana ny 28 hatramin'ny 1 aogositra izao. Handray anjara amin'izany ny Malagasy Mpandraharaha...
12 jona — Misy Masindahy Guy roa no ho resahintsika androany : ny voalohany dia i Masindahy Guy Vignotelli tao Cortone. Izy ity dia fransisikanina teraka tamin’ny taona 1187, andriana izy io fa mahay manetry tena sy mandray olona tokoa.
• Kristy, loharanon'ny fanantenana, ny fampihavanana ary ny fiadanana. Vinan'ny Fiangonana Fianakavian'Andriamanitra eto Afrika, ho an'ny 25 taona ho avy. Io no hafatra avy amin'ny Fihaonambe faha-20-n'ny Fivondronamben'y Eveka Katolika eto Afrika sy Madagasikara... • Tontosa ny 10 aogositra 2025 ny Eokaristia Masina, nametrahana an'i Mgr Marek Ochlak, teo amin'ny fiketrahana maha Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana azy... • Na aiza na aiza misy antsika, aza avela ho verivery foana ny fotoana ahafahana mitia. Io no fanentanana nataon'ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco