Vakiteny voalohany

Bokin’i Ezekiela Mpaminany (Ez. 17, 22-24)

Ny Tompo efa nanetry ny hazo avo, ary nanandratra ny hazo voaetry.

Izao no lazain’ny Tompo Andriamanitra:

“Hangalako ny tendron’ny sedera avo, ka hamboleko;
holaingosako ny sampany milenodenoka amin’ny loha rantsany,
ka hamboleko eo antampon’ny tendrombohitra avo sy manerinerina.
Eo amin’ny tendrombohitra avon’i Israely no hamboleko azy;
handrantsana sy hamoa izy, ary ho tonga sedera mahatalanjona
honenan’izao fody amam-boromadinika rehetra izao eo amboniny,
honenan’ny vorona rehetra eo amin’ny alokaloky ny rantsany.
Ary ho fantatry ny hazo rehetra any an-tsaha,
fa Izaho Tompo efa nanetry ny hazo avo, ary nanandratra ny hazo voaetry;
nahamaina ny hazo maitso, ary nahamaitso ny hazo maina.
Izaho Tompo no niteny, ary Izaho no hanatanteraka.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Sal. 91, 2-3. 13-16

Ny voa nafafy e tsy maintsy maty e, mba hamokarany zato heny.

Tsara ny misaotra ny Tompo,
ny miantsa ny Anaranao, ry Avo indrindra,
ny mitory ny fitiavanao vao maraina
sy ny fahamarinanao raha alina.

Ny olo-marina mamololona toa antrendry,
misandratra avo toa sederan’i Libàna;
ao an-tranon’ny Tompo izy no maniry,
an-kianjan’ny Andriamanitsika no manorobona.

Na antitra aza izy mbola mamokatra,
milenodenoka, ho ranon-kazo:
ka maneho fa mahitsy ny Tompo;
ao amin’ilay Vatolampiny, rariny avokoa.

Vakiteny faharoa

Taratasy faharoan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôrinty (2 Kôr. 5, 6-11)


Ikelezanay aina ny mba hankasitrahin’ny Tompo, na mitoetra amin’ny vatana izahay na miala aminy.

Ry kristianina havana, noho izahay manana toky mandrakariva,
sady mahalala fa lavitra ny Tompo izahay raha mbola mitoetra amin’ny vatana
(satria finoana moa no andehanantsika, fa tsy fahitana),
dia izany toky izany no itiavanay kokoa ny miala amin’ny vatana,
mba hitoetra eo akaikin’ny Tompo.
Ary izany ihany koa no ikelezanay aina, mba hankasitrahin’ny Tompo,
na mitoetra amin’ny vatana izahay na miala aminy.
Fa isika rehetra dia samy tsy maintsy hiseho amin’ny fitsaran’i Kristy,
mba handraisantsika tsirairay avy,
izay tandrifin’ny asantsika fony mbola tao amin’ny vatana,
na soa na ratsy izany.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Sokafy, ry Tompo, ny fonay mba hitandrina izay nolazain’ny Zanakao.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 4, 26-34)

Kely amin’ny voa rehetra ambonin’ny tany ny voan-tsinapy fa tonga lehibe indrindra amin’ny anana rehetra rehefa voafafy.

Tamin’izany andro izany i Jesoa niteny tamin’ny vahoaka hoe:

“Ny Fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny lehilahy anankiray mamafy voa amin’ny tany,
ka izy matory sy mahatsiaro isan’alina sy isan’andro,
ary ny voa mitsimoka sy mitombo, nefa tsy fantany izay faniriny;
fa mahavokatra ho azy ny tany, ka tahony no voalohany,
dia salohiny no manarakaraka, vao ventim-bary amin’ny salohiny no farany.
Ary rehefa vokatra dia jinjaina miaraka amin’izay,
satria tonga ny taom-pijinjana”.

Ary hoy indray Izy:

“Amin’inona no hampitahantsika ny Fanjakan’Andriamanitra,
ary fanoharana inona no hanehoantsika azy?
Tahaka ny voantsinapy izy,
izay kely indrindra amin’ny voa rehetra ambonin’ny tany raha vao afafy,
fa tonga lehibe indrindra amin’ny anana rehetra kosa rehefa voafafy sy mitombo,
ary mandrantsana vaventy ka azon’ny voro-manidina ialofana ny alokalony”.

Dia fanoharana maro toy izany no nitoriany teny taminy,
araka izay takatry ny sain’izy ireo.
Ary tsy niteny taminy afa-tsy tamin’ny fanoharana Izy,
fa nony mangingina vao nanambara tamin’ny mpianany ny hevitr’ireo rehetra ireo.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

♦ Hamoaka ny voka-pifidianana vonjimaika tamin'ny fifidianana solombavambahoaka teo ny CENI anio. Arahin'ny maro ny mety hisian'ireo fitsimbadihana, oharina tamin'ny fironam-bokatra nivoaka farany... ♦ Samy namoaka fanambaràna omaly ny vovonana pôlitika IRMAR sy ny kôlektifa an'ny Malagasy, noho ny zava-misy taorian'ny fifidianana solombavambahoaka farany teo... ♦ Lany tsy nasiam-panovàna teny Tsimbazaza ny lalàna momba ny fanitsiana ny teti-bolam-panjakàna 2024. Tsy nisy ny nitsipaka izany ireo solombavambahoaka 64 nanatrika ny fivoriana itambaram-be... ♦ Tsy niandry ela fa hanomboka sahady ny zotra-pifidianana amin'ny fifidianana solombavambahoaka mialohan'ny fotoana any Frantsa...

♦ Miantso ny olom-pirenena tsy haniky ny tsy fanarahan-dalàna sy ny hala-bato hakana fahefana, ny kandidà Solombavam-bahoakan'ny Kôlektifan'ny Malagasy... ♦ Melohin'ny kandidà Solombavam-bahoaka IRMAR ny filazana fa nisy ny hala-bato nandritra ny fifidianana Solombavam-bahoaka farany teo, kanefa tsy mitondra porofo any amin'ny Fitsarana Avo momba ny Lalàm-panorenana, ireo izay niharan'ny hala-bato... ♦ Nolanian'ny Solombavam-bahoaka tsy nasiam-panitsiana ny volavolan-dalàna mifehy ny fitantanam-bolam-panjakana nasiam-panitsiana 2024...

♦ Nankahery ireo kristianina 70 mianadahy nandray ny Sakramentan'ny Fankaherezana nandritra ny fankalazana ny Fo Masin'i Jesoa, mpiaro ny Katedraly ao Morombe, i Mgr Jean Désiré Razafinirina... ♦ Meteza ho afaka toa an'i Jesoa isika, hoy ny Papa François, tamin'ny fampianarana mialoha ny vavaka Angelus omaly... ♦ Nanentana ny fianakaviambe iraisam-pirenena, ny Papa François, mba hanao izay ho afany amin'ny fitondrana ny fanampiana ilain'ny mponina, lasibatry ny ady, ao amin'ny faritra Gaza...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...