10 janoary 2024 — Alarobia, Herinandro Tsotra voalohany Mandavantaona — Mitenena, Tompo ô, fa mihaino ny mpanomponao. Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 1, 29-39)

♦ Hankalazaina miaraka ny 10 mey 2024 izao ny faha-5 taonan'ny fitsidihana apôstôlika nataon'i Papa François teto Madagasikara sy ny faha-35 taona ny fitsidihana apôstôlika nataon'ny Olomasina Jean Paul-II, teto amintsika ny taona 1989... ♦ Efa mandray ny fepetra rehetra tsy hiparitahan'ny areti-maso any amin'ny Faritra hafa ny eo anivon'ny Ministeran'ny Fahasalamam-bahoaka, efa misy ny fisorahana natao tsy ho an'ny any Mahajanga ihany fa amin'ireo distrika maro manerana an'i Madagasikara... ♦ Efa nisokatra nanomboka ny volana novambra 2023 ny fizahan-tany ambanivohitra amin'ny lalam-pirenena faha-7 sahanin'ny Fivondronamben'ny Tantsaha Malagasy na ny FE.KRI.TA.MA...

♦ Nankalazaina ny Alahadin’ny Epifania ny andron’ny Ankizy maneran-tany... ♦ Nanasa ny kristianina rehetra mba samy hahatsiaro ny fotoana nanaovana Batemy azy ireo ny Papa François... ♦ Mivavaka hoan’ireo traboina nohon’ny tondra-drano any RDC ny Papa François...

♦ Tapitra rahampitso ny fe-potoam-pitondràn'ny Ben'ny Tanàna sy ny mpanolon-tsaina manerana an'i Madagasikara. Mety ho ny fifidianana solombavambahoaka mialoha ny fotoana anefa no hotanterahina voalohany amin'ity taona ity... ♦ Efa tafakatra 200 hatramin'izao ireo antontan-taratasy voaray ho safidiana ho ministra. Tsy tokony ho endrika ivelany fotsiny ireo mpikamban'ny governemanta hoy ny mpandinika raharaham-pirenena, Gérard Ramamimampionona... ♦ Maty notifirin'ny dahalo ny Ben'ny Tanàna an'ny kaominina Andranomiely any amin'ny Distrika Ankazobe. Efa tena mihantsy ady amin'ny mpitandro filaminana sy ny vahoaka mihitsy ireo olon-dratsy any Ankazobe ireo amin'izao...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 14 jolay 2025

• Miditra amin'ny herinandro faharoa hanatanterahana ny fivorian'ny Pretra ny ao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana, izay entina hanomanana ny fankalazana ny faha-70 taonan'ny Diosezy ny volana septambra 2025... • Mila fanetren-tena sy finiavana tanteraka, tsy misy fanavahana ary mandrava ny elanelana ny tena fitiavana marina, hoy ny Arsevekan'Antananarivo nandritra ny Eokaristia Masina fisaorana an'Andriamanitra noho ny fahavitan'ny asa fanavaozana ny Evêché Andohalo... • Raiso ny sitrapon'Andriamanitra, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly, tao Castel Gandolfo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...