19 mey — I Raphaël-Louis Rafiringa dia mbola olontsambatra amin'izao fotoana izao. Teraka tao Antananarivo ny taona 1856 i Rafiringa. Ny taona 1866 izy no nihaona tamin'ireo Frères des Ecoles Chrétiennes telo mirahalahy, tonga teto Antananarivo ka niditra nianatra tao amin'ny sekolin'izy ireo.

Tsy mora ny adidy sy andraikitra miandry ny Papa voafidy, amin'ny fitondrana ny Eglizy maneran-tany ; ireo Papa rehetra voafidy nifandimby nitondra ny Eglizy dia samy nanao ezaka nitsinjo ny vahoaka, fitsinjovana ireo sahirana, famporisihina hanaovana asa fiantrana, fiarovana ny tontolo iainana, fampanjakàna ny fahamarinana. Ny Papa Léon-XIV ihany koa dia mbola manohy izany, indrindra ny fiarovana ny aina... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.

18 mey — Mpanjaka tao Suède nanomboka ny taona 1150 i Eric, nisongadina tamin'ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly nataony tany amin'ireo Anglo-saxons tany Europe Avaratra, ny asa sy ny fiainany, indrindra fa ny tao Suède. Nankinin'i Eric tamin'i Henri, eveka tao Uppsala ny fampibebahana ny vahoakany. Fa izy tenany kosa lasa nitory ny Vaovao Mahafaly tany Finlande, toerana mbola tena be mpanompo sampy.

Alahady faha-5 - Taona-D fankalazana ny Paka : Ny vokatry ny paka: hafaliana sy fitiavana. Didy vaovao no omeko anareo, hoy ny Tompo, mifankatiava ary aoka ho toy ny nitiavako anareo no hifankatiavanareo. Azo lazaina ho toy ny didy miafina nampahalalana ny rehetra ny hafatra napetrak'i Jesoa mikasika ny fifankatiavana tokony hiainan'izay rehetra mpanaraka Azy. Ny namana voalazan'ny Evanjely dia tsy ireo iray finoana ihany na iray fiaviana fa ny olona rehetra izay tokony hanehoana fitiavana. Ny fitiavana ny namana ho an'ny Kristianina dia tsy vokatry ny fo mangoraka fotsiny fa tena fianarana an'i Jesoa Kristy mihitsy...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 11 aogositra 2025

• Kristy, loharanon'ny fanantenana, ny fampihavanana ary ny fiadanana. Vinan'ny Fiangonana Fianakavian'Andriamanitra eto Afrika, ho an'ny 25 taona ho avy. Io no hafatra avy amin'ny Fihaonambe faha-20-n'ny Fivondronamben'y Eveka Katolika eto Afrika sy Madagasikara... • Tontosa ny 10 aogositra 2025 ny Eokaristia Masina, nametrahana an'i Mgr Marek Ochlak, teo amin'ny fiketrahana maha Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana azy... • Na aiza na aiza misy antsika, aza avela ho verivery foana ny fotoana ahafahana mitia. Io no fanentanana nataon'ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...