Ilain'ny soa iombonana ny hiantohan'ny fahefana mifehy, amin'ny fomba mendrika, ny filaminan-tsain'ny mpiara-monina sy ny an'ireo mpikambana ao aminy. Ny soa iombonana no manamarim-pototra ny zom-piarovan-tena eken'ny lalàna ataon'ny tsirairay sy ny rehetra mitambatra. Hoy ny konsily :"tsy hoe rahefa tsy misy ady, na mifandanja ny hery an-daniny sy ankilany dia mandry fehizay ny tany..." Katesizy momba ny ankohonana, iarahana amin'i P. Eric Frank Randriamiandrinirinarivo. 

5 ôktôbra 2023 — Alakamisy, Herinandro Tsotra fahenina amby roapolo Mandavantaona — Efa nataoko hoe sakaiza ianareo, hoy ny Tompo, satria efa nambarako taminareo avokoa izay rehetra reko tamin’ny Ray — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 10, 1-12)

♦ Nisafidy ny hikaton-trano, nihaona tamin'ireo hery velona teto amin'ny firenena androany, ny vondron'ireo kandidà ho Filoham-pirenena. Hitohy rahampitso kosa ny fidinana an-dalambe... ♦ Handray fepetra amin'ireo minia manely vaovao tsy marina amin'ny fisian'ny zandary vahiny eny an-kianja, nanampy ireo zandary malagasy, ny mpitandro ny filaminana... ♦ Mikasa hanao tatitra eny amin'ny Kianjan'ny 13 mey, ireo Solombavam-bahoaka TIM, lany tao Antananarivo Renivohitra, miaraka amin'ny Solombavam-bahoaka mpanohitra. Tafapetraka androany teny amin'ny "Préfet" ny fangatahana...

♦ Hanohy ny fihaonana amin'ireo hery velona eto amin'ny firenena ny vondron'ireo kandidà. Tsy hisy ny hetsika fitakiana ataon'izy ireo anio. Fanapahan-kevitra taorian'ny fihaonana tamin'ny FFKM omaly... ♦ Mankalaza ny andro iraisam-pirenena ho amin'ny fampihenana ny loza sy ny tandindon-doza isika eto Madagasikara. Nanomboka omaly nitohy androany ny hetsika anamarihana izany, iarahan'ny BNGRC sy ny CPGU ary ny PNUD... ♦ Olona efatra no maty tao amin'ny kaominina Tsianisiha, Distrikan'i Toliara faharoa, Faritra Atsimo-Andrefa noho ny fanapoizinana ara-tsakafo vokatry ny fihinanana hazan-dranomasina... ♦ Nanomboka androany ny Sinaodin'ny Eveka andiany faha-16, notarihan'ny Papa François...

[Miara-dàlana] Zoma 1 aogositra 2025

• Mila mpitondra hafatra ho an'ny fanantenana izao tontolo izao, hoy ny Ray masina, tamin'ny fanokafana ny Jobilin'ny Tanora ny 29 jolay 2025... • Nosokafana androany maraina, tao amin'ny Distrikan'i Mahitsy, ny Jobilin'ny Tanora sy Andron'ny Tanora eto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Nankalaza ny Taon-jobily ihany koa ny tao amin'ny Diosezin'i Port-Bergé, ny Tanora tao amin'ny Faritra Androna...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...