♦ Miantso ny fampitsaharana ny fifampiantsiana sy ny fifandranitana miteraka korontana manoloana ny toe-java-misy ara-politika ankehitriny ny avy amin'ny FFKM. Tamin'ny alalan'ny fanambarana omaly no nanehoana izany... ♦ Nirefotra indray ny baomba mandatsa-dranomaso teny Anosy omaly tolakandro nanaparitahana ny vondron'ny kandidà 11 sy ny mpiara-dia aminy. Tsy hijanona ny tolona hoy izy ireo fa mitohy hatrany... ♦ Namaly ny fanakianana sy ny fitakiana ataon'ny vondron'ny kandidà 11 ny kandidà laharana fahatelo. Tsy ny mpanohitra hoy Andriamatoa Andry Rajoielina no hanala ny fitiavan-tanindrazana sy ny mahamalagasy azy nanoloana ny mpiara-dia aminy teny Ivandry...

Isan'ny singa fototra ilain'ny soa iombonana ihany koa ny fitandrovan'ny Fanjakàna ny zo fototra maha-olona. Tsy maintsy avelan'ny fiaraha-monina ny isam-batan'olona ao aminy hanatanteraka ny fiantsoan'Andriamanitra azy. Ny soa iombonana dia miorina amin'ny fepetra fampiasana ny fahafahana voajanahary : anisan'izany ny zo hanao asa amam-pihetsika araka ny fitsipika mahitsy ny kônsiansy... Katesizy momba ny ankohonana, iarahana amin'i P. Eric Frank Randriamiandrinirinarivo. 

4 ôktôbra 2023 — Alarobia, Herinandro Tsotra fahenina amby roapolo Mandavantaona — Ny lalanao, ry Tompo, ampahafantaro ahy, ka tariho amin’ny fahamarinanao aho — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 9, 57-62)

♦ Nirefotra indray ny baomba mandatsa-dranomaso teny Anosy androany tolakandro, nanaparitahana ny vondron'ny kandidà 11 sy ny mpiara-dia aminy. Tsy hijanona ny tolona, hoy izy ireo, fa mitohy hatrany... ♦ Namaly bontana ny fanakianana sy ny fitakiana ataon'ny vondron'ny kandidà 11, ny kandidà laharana faha-3. Tsy ny mpanohitra, hoy Andriamatoa Andry Rajoelina, no hanala ny fitiavan-tanindrazana sy ny maha malagasy azy, nanoloana ny mpiara-dia aminy teny Ivandry... ♦ Miantso ny fampitsaharana ny fifampihantsiana sy ny fifandranitana miteraka korontana ny FFKM, tamin'ny fanambarana nataony androany...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...