Notendren’ny Papa François ho Eveka ao amin’ny diosezin’Antsirabe i Mgr Jean Pascal Andriantsoavina, Eveka mpanampy eto Antananarivo.
♦ Tontosa omaly alahady nyEokaristia Masina fisaorana an'Andriamanitra sy fankasitrahana an'i Mgr Odon Marie Arsène Razanakolona, Arsevekan'Antananarivo, izay nahatratra ny taona hitsaharana amin'ny asa fitantanana ny Diôsezy... ♦ Fitenim-paritra faharoa nahavitana dika tenin'ny Baiboly, ny fiteny Tsimihety. Natolotra an'ireo vahoaka Tsimihety, tamin'ny sabotsy, tany Antsohihy izany... ♦ Milina afaka manodina mangahazo, ho lasa lafarinina no nomena ny tantsaha sy ny mpandraharaha any amin'ny Distrikan'i Mahanoro...
Maro an'isa ny Kristiana, mpivavaka na koa hoe mino, kanefa miharatsy ny fiainana, mihasimba ny tontolo iainana. Mahafoana tsikelikely ireo zava-boahary, mikorontana tsy mandeha araka ny vanim-potoana intsony ny teotr'andro. Ny tena loza dia samy manampatra ny fahefany amin'ny zava-boahary isika olombelona hany ka ts voahaja intsony ny lalàna ara-boajanahary. Katesizy momba ny tontolo iainana, iarahana amin'i P. Tina Jeannot Ranaivozanany.
10 jolay 2023 — Alatsinainy, Herinandro Tsotra fahefatra ambin'ny folo Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Ny teninao, ry Tompo dia fanahy sy fiainana. Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 9, 18-26)
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco