♦ Manentana ny rehetra, hivavaka ho amin'ny fahatanterahan'ny "conclave", hahazoana Papa vaovao ny filohan'ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, Mgr Raharilamboniaina Marie Fabien... ♦ Vokatry ny fandovana avokoa ny 70% amin'ny fananan'ny Malagasy tany, tokony hamoraina ny fomba ahafahan'ny tantsaha misitraka tany na mahazo tany ahafahany mampiasa tany ary manana izany hoy ny sehatra iombonan'ny fananan-tany... ♦ Hamporisihina handray andraikitra ara-politika sy ny fanamafisana fandriam-pahalemana ny tanora sy ny vehivavy eto Madagasikara hoy ny Ministry ny Fampianarana Teknika sy Fanofanana arak'Asa... 

30 aprily — I Masindahy Pie V dia ilay papa faha-225 nitondra ny Fiangonana ny taona 1566 ka hatramin'ny taona 1572. Antonio Ghislieri no anarany, teraka tamin'ny 17 janoary 1504 tao amin'ny tanana kely tao Bosco, akaikin'i Alexandrie tao amin'ny diôsezin'i Tortone.

Ny Eglizy iraka dia ilay antsoin'ny Papa François hoe "Eglise en sortie". Ny isam-batan'olona, araka ny nandraisany fahasoavana dia tokony hitsinjara izany amin'izy samy izy, toy ny mpitantara tsy miangatra ny fahasoavana maro loha avy amin'Andrimanitra. Iraka takian'ny Batemy ny fifampizarana, indrindra tombontsoa, eo ambany fitantanan'ny Fanahy Masina... Katesizy momba ny Eglizy fahazavan'izao tontolo izao, iarahana amin'i P. Randriamiarantsoa Germain Thierry.

29 aprily — Teraka tao Sienne ny 25 marsa 1347 i Catherine Benincasa. Nambara fa io andro io dia sady fankalazana ny Annonciation no Sampankazo ihany koa. Vao 5 taona monja i Catherine, izany hoe ny taona 1352, dia nahazo fisehoana, dia ny fisehoan'i Kristy Mpanjaka.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 11 aogositra 2025

• Kristy, loharanon'ny fanantenana, ny fampihavanana ary ny fiadanana. Vinan'ny Fiangonana Fianakavian'Andriamanitra eto Afrika, ho an'ny 25 taona ho avy. Io no hafatra avy amin'ny Fihaonambe faha-20-n'ny Fivondronamben'y Eveka Katolika eto Afrika sy Madagasikara... • Tontosa ny 10 aogositra 2025 ny Eokaristia Masina, nametrahana an'i Mgr Marek Ochlak, teo amin'ny fiketrahana maha Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana azy... • Na aiza na aiza misy antsika, aza avela ho verivery foana ny fotoana ahafahana mitia. Io no fanentanana nataon'ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...