23 mey 2023 — Talata, Herinandro fahafito fankalazana ny Paka — Mangataka amin’ny Ray Aho, hoy ny Tompo, ka homeny Mpanafaka alahelo hafa ianareo, izay ho eo aminareo mandrakariva — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 17, 1-11)
♦ Nametraka fepetra mialoha ny hiverenany handray ny asa fitaterana solika ny Fikambanan'ny Mpitatitra matihanina amin'ny solika, APTH, izay efa tsy nampiakatra solika hotaterin'ireo fiarabe, nanomboka sabotsy teo... ♦ Lany nasiam-panovana sy nasiam-panitsiana teny amin'ny Antenimieram-pirenena androany, ny volavolan-dalàna momba ny fampiasam-bola eto Madagasikara tamin'ny 9 marsa 2023... ♦ Tontosa androany ny lanonam-pitsarana manetriketrika nametrahana an-dRamatoa Rakotoniaina Narindra Navalona, Tonia Mpampanoa Lalàna eo anivon'ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany eto Antananarivo...
♦ Nankalazaina omaly ny fetin'ny Grand Séminaire Saint François de Sales, Analamasôva, ao amin'ny Arsidiôsezin'i Toamasina... ♦ Nanokatra ny fankalazana ny faha-160 taonany ny Gardes d'Honneur an'ny Fo Masin'i Jesoa maneran-tany, ny tao amin'ny Diôsezin'i Mahajanga, omaly... ♦ Iraka isika, hoy ny hafatry ny Eveka ao amin'ny Diôsezin'Ambanja, nandritra ny fitsidihana pastôraly notanterahany tao amin'ny EKAR Luigi Orione, Distrikan'i Begavo...
♦ Hiady amin'ny hitodihana amin'ny sôsialim-bahoaka ireo Solombavambahoaka amin'ny fanitsiana ny teti-bolam-panjakàna 2023 eny Tsimbazaza. Nanamafy izany fangatahana izany ny Solombavambahoakan'i Miarinarivo, amin'izao fivoriana ara-potoan'ny Antenimiera izao... ♦ Mitaraina ireo orinasa mpanfatra sy mpanondran'entana any ivelany fa tsy marin-toerana ny vola aloa eo anivon'ny Fadintseranana. Avo roa heny amin'ny tombam-bidin'ny entana indraindray ny vola alaina hoy izy ireo... ♦ Mpiadina am-polony no tratra nanao hosoka tamin'ny fanadinana fifaninana andraisana mpiofana ho mpandraharahan'ny fonja ny faran'ny herinandro teo. 12 tamin'ireo tra-tehaka no teny amin'ny foibem-panadinana eny Nanisàna...
• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco