♦ Namoaka hafatra ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, omaly. Nasian'izy ireo teny avokoa ireo tranga mahazo ny fiaraha-monina sy ny toe-draharaham-pirenena ankehitriny... ♦ Tsy mila tetezamita ny Rodoben'ny Mpanohitra, araka ny fanambarana ôfisialy nataon'izy ireo. Mitaky ny amoahan'ny fitondrana ny datim-pifidianana ihany koa ny RMDM, tamin'ny fanambarany... ♦ Noroahana eo anivon'ny Tafika Malagasy, ireo miaramila enin-dahy nikasi-tànana sivily teny Avaradoha. Mamo izy ireo, rehefa avy nisotrosotro, ka nanakorontana sy nandratra olon-tsotra anankiroa...
Filàna fototra ny fifandraisan’ny mpiara-belona na ny fifandraisana; mandritra ny fitondrana vohoka dia afaka mifandray ny reny sy ny zaza. Voajanahary ny fifandraisana, fa na tsy mivoaka ny vava aza ny teny, ny retsi-pandrenesana rehetra dia endriky ny fifampiresahana... Katesizy momba ny fifandraisan'ny mpiara-belo, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.
19 mey 2023 — Zoma, Herinandro fahenina fankalazana ny Paka — Tsy havelako ho kamboty ianareo, hoy ny Tompo; handeha Aho ary ho avy eo aminareo indray, ka ho faly ny fonareo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 16, 20-23a)
Hafatry ny Fivondronamben’ny Eveka eto Madagasikara. “Nikely aina mandrakariva koa aho mba tsy hotsinin’ny feon’ny fieritrertako, na eo anatrehan’Andriamanitra, na eo anatrehan’ny olombelona” (Asa 24, 16)
• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco