Alarobia 22 febroary 2023 — Fanosorana lavenona — Mibebaha ianareo, hoy ny Tompo; fa efa akaiky ny Fanjakan’Andriamanitra — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 6, 1-6, 16-18)
♦ Hiditra ao amin'ny Distrikan'i Mananjary, afaka ora vitsy ny foiben'ilay rivodoza Freddy. Tany amin'ny 70 km avaratra atsinanan'i Mananjary ny nisy ny foibeny tamin'ny 6 ora hariva teo... ♦ Niroso tamin'ny famindram-pitantanana ireo Minisitra vaovao sy ireo teo aloha, tao aorian'ny fanovana mpikambana vitsivitsy teo anivon'ny Governemanta... ♦ Ahiahiana hiverina ao amin'ny Faritra Vatovavy sy i Fitovinany indray ilay valan'aretina FVR mpahazo ny omby aman'osy ary ny ondry. Misy aretin-koditra mahazo ny omby ihany koa any amin'ny Faritra Diana...
♦ Manomboka mihena ny herin'ilay rivo-doza Freddy, mialohan'ny hidirany an-tanety eto Madagasikara... ♦ Misy ny fepetra noraisina momba ny fifamoivoizana an-tanety, manoloana ny fiavian'ny rivo-doza Freddy. Mitsahatra avokoa manomboka anio ny fitanteran'olona sy entana mihazo ny Faritra atsimon'ny nosy, indrindra ny anio alina... ♦ Nitrangàna fifamonoana tany amin'ny Kaominina Esira, Distrikan'Amboasary atsimo. Olona miisa 06 no namoy ny ainy, am-polony no naratra, vokatry ny fifandonana teo amina fianakaviana roa avy amin'ny fokontany samihafa...
Marihina isaky ny faha-21 febroary, isan-taona ny andro iraisam-pirenena ho an'ny teny ibeazana. Ny UNESCO no isan'ireo nankatoa io andro io, vokatry ny tolona nataon'ireo olona tany Bangladesh, hampiasa ny teny ibeazana eo anivon'ny fiaraha-monina nisy azy tamin'ny taona 1952. Mifamatotra ny teny ibeazana sy ny kolontsaina. Ny loha-hevitry ny fankalazana amin'ity taona ity : "Fanabeazana maroteny, antoka hampivoarana ny fanabeazana" ho fanamarihana io andro iraisam-pirenena io dia namaritra loha-hevitra ihany koa i Madagasikara dia ny hoe : "Ny anjara toeran'ny fitenim-paritra eo amin'ny fanabeazana". Hisy fanamarihana manokana izany eny amin'ny foiben'ny Akademy Malagasy eny Tsimbazaza ny talata 21 febroary 2023...
• Tontosa omaly tany Gdańsk, Pologne ny fanamasinana ho Eveka an'i Mgr Marek Ochlak, Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana... • Hotanterahana any Toamasina ny 2 hatramin'ny 6 aogositra 2025, ny Fihaonambe Nasionalin'ny Ibalita eto Madagasikara... • Tsy sakramenta fanaovam-beloma farany ny Fiangonana ny Sakramentan'ny Fankaherezana, hoy ny Arsevekan'Antananarivo, Mgr Jean de Dieu Raoelison...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco