♦ Niatrika ny fetin'ny Paka tao anatin'ny filaminana tamin'ny ankapobeny ny Malagasy tamin'ity taona ity. Misy ny fintina sy akon'ireo tranga samihafa nisongadina, nandritra ity fety ity... ♦ Tsy misy tena antony handraràn'ny fotondrana ny hetsika pôlitika ankalamanjana, izao mialohan'ny fifidianana izao, hoy ny antoko Fiombonana. Nambaran'ny antoko fa natao hikendrena manokana ireo mety ho kandidà no tanjon'ny fanapahan-kevitry ny Ministry ny Atitany amin'izany... ♦ Olona 400.000 isa no nisitraka fizaham-pahasalamana maimaim-poana tamin'ny fandaharan'asa fahasalamana manakaiky vahoaka, notanterahin'ny Ministeran'ny fahasalamam-bahoaka. Tobim-pahasalamana 2.000 isa mahery no nomena fampitaovana tao anatin'ny 5 taona...
Ny Fangorahana, lalan’ny sinody, araka ny voalazan’i Jesoa ao amin’ny Joany 12, 8 dia : "hisy mandrakariva ny mahantra" eo anivon’ny fiaraha-monina misy antsika. Matetika ny fiheverana ny fahantràna dia miainga amin’ny lafiny ara-materialy ihany, tsy fananam-bola, tsy fisian’ny hanin-ko hanina, mitafy voron-kitsay, trano tsizarizary. Ny fahantràna ara-tsaina ihany koa dia efa fahantràna, fa indrindra ny ara-panahy. Katesizy momba ny fiaraha-monina, iarahana amin'i P. Randriamiarantsoa Germain Thierry.
11 aprily 2023 — Talata amin'ny Havaloan'ny Paka — Ity no andro nataon’ny Tompo, ka mifalia sy miravoa isika — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 20, 11-18)
Ketsa Saraka, na fafy saraka, ahazoana 10 taonina isaky ny hektara ny fampiharana ity teknika fambolem-bary nokarohany ity hoy jeneraly Rabemanantsoa Robert. Milonjehatra ny salohim-bary eny an-tanimbarin'i jeneraly amin'izao volana avrily izao. Tsy ho ela dia hampiaka-bokatra izy. Manam-boninahitra ambony misotro ronono nanana andraikitra ambony tao amin'ny tafika malagasy tamin'ny fotoan'andro ; liana tamin'ny voly vary.
• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco