Ny ezaka atao mba hiadiana ny fidonam-poana: ilaina ny tia karokaroka. Ny fidonanam-poana mantsy tsy hifanaraka velively amin’ny maha vavolombelona Kristianina. Ohatra velona ho antsika i Masindahy Josefa, Masina Maria, Simeona ary Anna, tamin’ny nanolorana ny Tompo tao tempoly : ny zavatra hita sy tsapa voalohany dia ny fihetsika sy figagana teo amin’izy ireo. Katesizy momba ny fidonanam-poana, iarahana amin'i P. Ratinarivony Laurent.
Zoma 17 febroary 2023 — Herinandro Tsotra fahenina Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Izaho no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana, hoy ny Tompo; tsy misy olona mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 8, 34-39)
♦ Mety ho fandraisana anjara farany ho an'ireo Minisitra sasany eo anivon'ny Governemanta, ny Filankevitry ny Minisitra teny Iavoloha omaly. Tombanana hisy fanovana governemanta ato ho ato, raha ny vaovao efa miparitaka amin'izao... ♦ Manambana hanao hetsika mafampana amin'izay ireo mpiasam-panjakana tsy nisitraka ny tambim-pandehanana hisotro ronono, nanomboka ny taona 2019. Misy 4000 any ho any izy ireo ankehitriny, no misedra izany olana izany... ♦ Hisokatra manomboka ny 1 marsa 2023 izao, ny taom-panjonoana makamba, manerana ny fari-dranomasin'i Madagasikara...
♦ Araha-maso akaiky amin'ny herinandro ho avy ny fivoaran'ilay rivo-doza FREDDY atsy amin'ny Ranomasimbe Indiana. Raha ny vinavinan'ny lalany araka ny sary avy amin'ny zana-bolana dia ahiana ny ahavoakasika ny morotsiraka avaratra atsinanana sy atsinanan'ny nosy... ♦ Ahitana andiam-balala any amin'ny Faritr'i Ihorombe. Manambana ihany koa ny any amin'ny Faritr'i Menabe, Vakinakaratra ary Bongolava. Misy ny asa maika tsy maintsy atao. Tombanana hatrany amin'ny 400.000Ha ny velaran-tany ho voafendraka fanafody... ♦ Tsy maintsy manaja ny lalàna misy eto amin'ny firenena ireo mpianatra sy mpampianatra manoloana ny zava-misy tany amin'ny Faritra Matsiatra-Ambony hoy ny tompon'andraikitra...
• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco