Tsy vitan'ny hoe mangataka amin'Andriamanitra mba hanana "hatsaram-panahy maha bitika" isika fa mila miditra amin'ny sekolin'i Jesoa Kristy, Ilay malemy fanahy sy manetri-tena ao am-po mba hianatra ny halemem-panahiny. Ny fitiavana dia miseho amin'ny alalan'ny fahafoizan-tena, fahafoizana fotoana. Mila malemy fanahy tahaka an'i Jesoa Kristy isika amin'ny alalan'ny vavaka sy ny fifanampiana. Katesizy momba ny hatsaram-panahy maha-bitika, iarahana amin'i P. Solonomenjanahary Hermann.

Alarobia 7 desambra 2022 — Herinandro faharoa amin'ny Fiavian'ny Tompo — Taona A — Indro ho avy ny Tompo hanavotra ny vahoakany, sambatra izay vonona ny hitsena Azy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 11, 28-30

♦ Nahemotra ho amin'ny 31 janoary 2023, ny fotoam-pitsarana an'i Mahery Lanto Manandafy, izay saika notanterahana androany... ♦ Nomarihana androany ny andro natokana ho an'ny indostria aty Afrika. Nambaran'ny Minisitra Edgard Razafindravahy, fa efa eto Madagasikara ny antsasaky ny fitaovana hananganana indostria miisa 72, manerana ny nosy... ♦ Manana andraikitra amin'ny ady atao amin'ny fihafanan'ny toe-tany ny Orange Madagascar. Nampahafantatra ny momba izany, nandritra ny tafa ho an'ny mpanao gazety, ny Tale Jeneraliny...

♦ Very hasina ny Antenimieram-pirenena amin'ny fihetsik'ireo solombavambahoaka sasany, hoy ny mpikambana iray avy amin'ny antoko TGV. Misy amin'izy ireo, hoy izy, no tsy manao ny asany fa variana misolelaka amin'ireo ministra eo anivon'ny Governemanta... ♦ Ahiana sahady ny mety hisian'ny fianjeran'ny vato sy fihotsahan'ny tany eny ambanin'Ampahamarinana sy ny manodidina. Mponina maherin'ny 2.600 no mety hafindra fonenana, aorian'ny fametrahan'ny BNGRC saina mena eny an-toerana... ♦ Hotsenaina amin'ny fomba makotroka etsy Ivato anio tolak'andro ireo mpilalaon'ny ekipam-pirenena malagasy, tomponddaka sy tompondaka lefitr'i Afrika eo amin'ny Basket 3x3 ny faran'ny herinandro teo...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 30 jona 2025

• Notanterahana ny 21 sy 22 jona 2025 ny hetsika entina hanohanana ny Seminera Zandriny, tao amin'ny Diosezin'Antsirabe, sady nankalazana ny fetin'ny Sakramenta Masina... • Katesista miisa 11 no nahavita fiofanana nandritra ny folo volana ka navoaka tamin'ny fomba ofisialy ny 24 jona 2025, tao amin'ny Diosezin'i Farafangana... • Nataon'Andriamanitra ho vatofehizoro ny vato nolavina, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly alahady, nankalazana ny fetin'i Masindahy Piera sy i Paoly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...