♦ Nanao fanambarana omaly, ny Filohan'ny Antenimieram-pirenena nanoloana ilay raharaha nafana teny Tsimbazaza. Niantso fitoniana mba tsy hampisavorivory ny sain'ny vahoaka Malagasy izy tamin'izany... ♦ Handefa iraka manokana eto Madagasikara, ny Vondrona Afrikana, hanombana ny firosoantsika amin'ny fifidianana amin'ny taona 2023. Tanjona ny hisorohana ny sanatria hisian'ny krizy pôlitika... ♦ Handray anjara amin'ilay fihaonana an-tampony, US Africa Summit 2022, i Madagasikara. Efa any Washington DC ny Filoham-pirenena Malagasy, miaraka amin'ireo delegasiôna tarihiny...

13 desambra — Tovovavy avy any Syracuse, Italie, i Masimbavy Lucie. Tonga tany Catane, teo amin'ny fasan'i Masimbavy Agathe, izy niaraka tamn'ny renin'ny izay tratry ny fahaverezan-dra tsy nahitam-panafana. Rehefa avy nivavaka fotoana fohy teo izy dia sondrian-tory kely.

Ao amin'ny fahambonian'ny hatsaram-panahin'Andriamanitra mihitsy ny hoe miteny amin'ny fitenin'olombelona Andriamanitra mba hanambaràny ny Tenany amintsika. Tsy mitady fomba hafa Izy rehefa miteny amintsika fa amin'ny fombatsika ihany. Tsy milaza afa-tsy teny iray Andriamanitra amin'ny teny rehetra ao amin'ny Soratra Masina dia ny Teniny tokana izay ao Aminy ilazany ny Tenany manontolo. Katesizy momba ny tenin'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Ralison Raphaël Eugène.

Talata 13 desambra 2022 — Herinandro fahatelo amin'ny Fiavian'ny Tompo — Mitadiava ny Tompo dieny mbola mety ho hita Izy; miantsoa Azy dieny mbola akaiky Izy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 21, 28-32

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 oktobra 2025

• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...