Zoma 23 septambra 2022 — Herinandro Tsotra fahadimy amby roapolo Mandavantaona — Sokafy, ry Tompo Andriamanitra ny fonay, mba hitandremanay ny tenin-janakao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 9, 18-22

♦ Mbola mila jerena sy ifampiresahana ny momba ny fahaleovan-tenan'ny CENI, hoy ny HVM, mialoha ny fifidianana amin'ny taona 2023. Hiditra amin'ny raharaha pôlitika eto amin'ny firenena amin'izay ity antoko mpanohitra ity, manomboka amin'ny faran'ny herinandro izao... ♦ Nambenan'ny Emmoreg, ny fitokonana nataon'ireo mpiasan'ny Minisiteran'ny Fampianarana Ambony eny Tsimbazaza, androany... ♦ Ahiana ho lany tamingana ny sokatra mampihavaka ny any atsimon'i Madagasikara, noho ny kolikoly miseho amin'ny fangalarana sy ny fanondranana io zava-manana aina io...

♦ Namoaka fanambarana manoloana ny tsindry mahazo ireo mpanao gazety miasa any amin'ny Faritra Menabe ny filoha lefitra nasionalin'ny holafitry ny mpanao gazety any amin'iny Faritra iny... ♦ Manambana ny hitokona lavareny ny sendikan'ny mpiasa eo anivon'ny ministeran'ny fampianarana ambaratonga ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa. Nitohy androany ny fitokonana fanairana nataon'izy ireo... ♦ Mbola tafiditra ao anatin'ireo kaominina 74 isa hisitraka indray ny fandaharan'asa PDCID2 ny kaominina ambanivohitra Ambatoboeny... ♦ Milaza ny hanetsika ireo ampahany amin'ny mponina any Rosia ingahy Poutine manoloana ny ady ataony amin'i Ukraine...

Ny fahefana anaty dia ilay fanahy endrik'Andriamanitra ao amintsika olombelona. Miavaka amin'ny zava-boary rehetra ny olombelona satria : Fanahy, Aina, Vatana. Aza ny sakana anaty no omena vahana fa manimba ny ho avy izany. Fandaharana "mba ho vanona", iarahana amin'ny jeneraly Ramakavelo Désiré.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 14 jolay 2025

• Miditra amin'ny herinandro faharoa hanatanterahana ny fivorian'ny Pretra ny ao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana, izay entina hanomanana ny fankalazana ny faha-70 taonan'ny Diosezy ny volana septambra 2025... • Mila fanetren-tena sy finiavana tanteraka, tsy misy fanavahana ary mandrava ny elanelana ny tena fitiavana marina, hoy ny Arsevekan'Antananarivo nandritra ny Eokaristia Masina fisaorana an'Andriamanitra noho ny fahavitan'ny asa fanavaozana ny Evêché Andohalo... • Raiso ny sitrapon'Andriamanitra, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly, tao Castel Gandolfo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...