Manan-danja lehibe ary tsy maintsy ilain'ny vatan'olombelona iray, mitovy amin'ny rano sy ny sakafo, ny torimaso. Misy fihatraikany ratsy ho an'ny fahasalamana ny tsy fahampian'ny torimaso. Ny faharetan'ny torimaso dia miankina amin'ny toe-batan'ny olombelona iray sy ny asa ataony. Ny zaza 0-3 volana dia maharitra 14-17 ora ny torimasony ; ny ankizy 6-13 taona dia 9-11 ora ; ny tanora 14-17 taona dia 8-10 ora, ary ny olon-dehibe 26-64 taona dia 7 ora hatramin'ny 9 ora ny faharetan'ny torimasony.  Rehefa mitombo ny taonan'ny olombelona iray dia miha-antitra koa ny ao anaty atidoha ary misy fihatraikany amin'ny torimaso.

♦ Nisy taova tsy hita tao amin'ilay zazalahikely hita faty tao anaty dobo filomanosana tamin'ny hôtely iray tany Morondava. Tsy manaiky ny fianakaviny ka mbola tsy tontosa ny fandevenana... ♦ Mbola mitàna ny laharana faharoa amin'ireo firenena aty Afrika subsahariennes i Madagasikara eo amin'ny fanondranana entana vita amin'ny lamba... ♦ Mahatratra 55km/ora ary arahina tafiotra 65km/ora ny hamafin'ny rivotra any Atsimon'ny nosy hatramin'ny alatsinainy izao. Mila fitandremana noho izany ireo mpiandriaka sy ny mpampiasa ny ranomasina...

♦ Notendren'ny Papa François ho Evekan'ny Diôsezin'Ambanja i Mopera Donatien Francis Randriamalala... ♦ Nitory ny gazety Le Monde noho ny vaovao diso momba ny CVO+ ny orinasa Pharmalagasy... ♦ Mitady hielipatrana eto Madagasikara ny kolikoly ara-pananahana ka hanairan'ny Transparency International Madagascar ny olom-pirenena... ♦ Miverina eo ambany fitantanan'i Ukraine indray ny ao Kherson...

12 nôvambra — I Masindahy Josaphat dia Ivan Kountsevitch no tena anarany, teraka tao Volhynie ny taona 1584. Mbola zaza , na sakan-jaza izy tamin'ny fotoanan'ny Union de Brest ny taona 1596. Tamin'izany fotoana izany dia niankina mivantana tamin'i Rome ny ampahan'ny Fiangonana tao Ukraine, izay nanome ny Fiangonana greco-catholique na Église ruthène.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 oktobra 2025

• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...