15 septambra — Tamin’ny taonjato fahairaika ambin’ny folo no nahitana voalohany sy ny fahatsiarovana an’i Masina Maria vonton’alahelo. Hita tamin’ny asa sotratr’i Pierre Damien sy Masindahy Anselme izany. Ny fijalian’i Masina Maria teo an-tongotry ny hazofijaliana dia namelombelona ny fitiavam-bavaky ny kristianina hatramin’ny taonjato fahadimy ambin’ny folo.
Ny mifampiresaka sy mifanakalo hevitra ombieny ombieny no tsara indrindra atao amin'ny zanaka lahy, fa tsy dia fananarana ara-moraly diso tafahoatra na fandidiana tsotra izao tsy hivoaka ny trano, na fandraràna tsy hiaraka amin'ny zanaky ny manodidina. Mila mitandrina tsara tsara ny ray aman-dreny fa famolavolana tovolahy ho raim-pianakaviana no atao. katesizy momba ny fianakaviana, iarahana amin'i P. Randriamanamahenina Robert Maria.
Alakamisy 15 septambra 2022 — Herinandro Tsotra fahefatra amby roapolo Mandavantaona — Andriamanitra no nampihavana an’izao tontolo izao indray tamin’ny alalan’i Kristy sy nametraka indray ny teny fampanantenana tamintsika — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 7, 36-50
♦ Tsy misy ambadika pôlitika ny fanaovana ny kopia faobe sy ny kara-panondrom-pirenena faobe, hoy ny Minisitry ny Fitsarana, androany. Mbola mitana ny heviny ka mitaky fandaminana kosa ny SMM... ♦ Namoaka fanambarana manameloka marindrano ny fanasaziana ny Lehiben'ny Distrikan'Ikongo ny sendikan'ny SYNAD... ♦ Nandraisana fepetra ireo vola vahiny, izay efa tafakatra 494 tapitrisa dolara, tahirizin'ny tompony fotsiny any amin'ny banky...
• Miditra amin'ny herinandro faharoa hanatanterahana ny fivorian'ny Pretra ny ao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana, izay entina hanomanana ny fankalazana ny faha-70 taonan'ny Diosezy ny volana septambra 2025... • Mila fanetren-tena sy finiavana tanteraka, tsy misy fanavahana ary mandrava ny elanelana ny tena fitiavana marina, hoy ny Arsevekan'Antananarivo nandritra ny Eokaristia Masina fisaorana an'Andriamanitra noho ny fahavitan'ny asa fanavaozana ny Evêché Andohalo... • Raiso ny sitrapon'Andriamanitra, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly, tao Castel Gandolfo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco