♦ Handray tsy ho ela ny fihaonana an-tampon'ny COI isika eto Madagasikara, mbola mizarazara ny hevitra manoloana ny fampiantranoana izany... ♦ Manana ny toerana amin'ny vokatra oratsimba "langouste" ny Faritra Anôsy satria mahatratra 400 taonina isan-taona ny vokatra avy any amin'ity Faritra ity... ♦ Ho fararanon-danonana ny any amin'ny Sekolim-pirenena ENAP Antetezambaro Toamasina, amin'ny zoma 18 avrily ho avy izao... ♦ Mbola manjavozavo ny ho fizotry ny dinika momba ny nokleary eo amin'i Etazonia sy Iran anio sabotsy...

♦ Namoaka fanambarana iombonana manoloana ny zava-misy eto amin'ny firenena ny filoha teo aloha isany dia Ravalomanana Marc sy Rajaonarimampianina Hery... ♦ Hitohy hatrany ny rotsak'orana amin'ny faritra maro eto Madagasikara. Tombanana ho betsaka kokoa izany amin'ny faritra sasany... ♦ Zava-dehibe ny fiarovana ny vokatra Malagasy sy ireo mpandraharaha Malagasy manoloana ny ady ara-barotra misy maneran-tany hoy ny ANMCC... ♦ Nisy ny fihaonana niarahan'ny Papa François tamin'ireo lehiben'ny dicastères na dia mbola ao anatin'ny fialantsasatra aza izy, hoy ny birao misahana ny fampitam-baovao eo anivon'ny Fiketrahana Masina...

12 aprily — Ny Masindahy Jules resahana amin'ity andor ity dia ilay papa tamin'ny taonjato fahefatra. Jules Voalohany no nahalalana aza, teraka tao Roma ny taona 280 ary nandray ny Fiketrahana Masina ny 06 febroary 337 hatramin'ny 12 aprily 352. Izy no papa faha-35.

Ny Eglizy dia vatan'i Kristy ; noho ny batemy dia vatana iray monja isika rehetra ao amin'i Kristy na dia maro aza. Ny Batemy dia fahateraham-baovao ho antsika : natsoboka ao amin'ny ain'i Kristy isika, naiditra ao amin'ny Eglizy isika ka manjary misitraka amin'ny fomba manokana ny fanoloran-tenan'i Kristy, izay maty sy nitsangan-ko velona... Katesizy momba ny Fanahy Masina manamasina ny Eglizy , iarahana amin'i P. Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 18 aogositra 2025

• Nanentana ireo olom-boatokana handray andraikitra ho vavolombelon'ny fitiavana sy ny fahamarinana eo amin'ny fiaraha-monina, ny Arsevekan'Antananarivo, nandritra ny fankalazana ny Jobily nasionaly ho an'ny olom-boatokana eto Madagasikara... • Nigadona tany amin'ny Arsidiosezin'i Toamasina, toerana hanatanterahana ny JMJ Mada 11, ny Lakoran'ny JMJ sy ny Icône an'i Masina Maria ny sabotsy lasa teo... • Aza mamaly herisetra amin'ny valifaty, hoy ny hafatra fanentanana nataon'ny Papa Léon XIV omaly, nandritra ny vavaka Angelus...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...