04 jolay — Teraka tamin’ny taona 1271 tao Espagne i Elisabeth. Zanak’i Pierre III, mpanjakan’i Aragon, sy Constance II avy any Sicile i Elisabeth na i Isabelle, fa ny dadabeany Jacques I kosa no nanabe azy. Zaza kely mahafatifaty i Elisabeth indrindra tamin’ny fitiavam-bavaka nitaizan’ity raibeny ity azy.
Tsy mahazo mihevitra na oviana na oviana an'izany harena izany ho toy ny an'ny tenany irery ihany ny olombelona. Ny fananan-tsamirery dia miainga amin'ny zo hananana fananana manokana, fa kosa azo hanasoavana ny hafa. Katesizy momba ny haren'ny tany, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.
Alatsinainy 4 jolay 2022 — Herinandro fahefatra ambin'ny folo mandavantaona — Ny teninao, ry Tompo dia fanahy sy fiainana. Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay —Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 9, 18-26
03 jolay — I Thomas ilay resahana eto dia ilay apôstôly tsy teo tamin’ny fisehoan’i Jesoa voalohany tamin’ny mpianany tao aorian’ny nitsanganany ho velona. Izy ilay nilaza fa tsy mino ny fitsanganan’ny Tompo raha tsy mametraka ny tanany amin’ireo loaky ny fantsika eo amin’i Jesoa.
• Notontosaina omaly ny fanaovam-beloma farany an'i Mompera Rakotosamimanana Nicolas, pretran'ny Diosezin'i Mahajanga, nodimandry teo amin'ny faha-58 taonany... •“Discernement spirituel pour le développement intégral”, izay no lohahevitra nanamarihana ny “Journée des Cadres Chrétiens”, teto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Fanentanana ny kristianina hiaro, hizara ary hiaina ny finoana, no nataon'i Mgr Jean de Dieu Raoelison, nandritra ny fankalazana ny ivon'ny faha-100 taonan'ny EKAR Masindahy François Xavier Antanimena...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco