Talata 28 jona 2022 — Herinandro fahatelo ambin'ny folo mandavantaona — Fanahy sy fiainana ny teninao, ry Tompo; Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay — Evanjely Masina nosortan'i Masindahy Matio 8, 23-27
♦ Feno 26 taona katroka anio ny Radio Don Bosco. 26 taona nitoriana ny Vaovao Mahafaly, nanabeazana ny sokajin'olona rehetra, nampahalalana vaovao sy ny zava-niseho rehetra teto amin'ny firenena... ♦ Nanakoako ny fanamarihana ny Fetim-pirenena omaly. Entintsika eto amin'izao vaovao izao ny fety nankalazana izany teny Mahamasina... ♦ Olona enina no naratra, nipoahan'ny afomanga tany Mananara Avaratra, nandritra ny fanamarihana ny Fetim-pirenena ny sabotsy hariva teo. Tsy nipoaka teny am-panidinana ny sasany tamin'ireo afomanga...
Ny olomp-pirenena sy ny fanjakana dia hamporisihina mba handray anjara amin'ny fiainam-bahoaka : amim-pahavitrihana. Ny fandraisana anjara amin'ny fiainam-bahoaka dia miova araka ny tany sy kolo-tsain'ny mponina. Katesizy momba ny fifandraisan'ny mpiara-belona, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.
Alatsinainy 27 jona 2022 — Herinandro fahatelo ambin'ny folo mandavantaona — Izaho no fahazavan’izao tontolo izao, hoy ny Tompo; izay manaraka Ahy no hanana ny fahazavan’ny fiainana — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 8, 18-22
• Notontosaina omaly ny fanaovam-beloma farany an'i Mompera Rakotosamimanana Nicolas, pretran'ny Diosezin'i Mahajanga, nodimandry teo amin'ny faha-58 taonany... •“Discernement spirituel pour le développement intégral”, izay no lohahevitra nanamarihana ny “Journée des Cadres Chrétiens”, teto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Fanentanana ny kristianina hiaro, hizara ary hiaina ny finoana, no nataon'i Mgr Jean de Dieu Raoelison, nandritra ny fankalazana ny ivon'ny faha-100 taonan'ny EKAR Masindahy François Xavier Antanimena...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco