Ny fahavanonana sy ny maha olom-pirenena no hitondra fampandrosoana sy fahatsaram-piainana. Ny fanajana ny maha-Malagasy ihany koa dia hamerina amin'ny laoniny ny fahatsaram-piainana. Fandaharana "mba ho vanona", iarahana amin'i Jeneraly Désiré Philippe Ramakavelo.
♦ Tontosa omaly ny "Messe Chrismale" ho an'ny eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo. Navoitry ny Eveka Mpanampy nandritra ny toriteniny fa misy lanjany lehibe amin'ny fiainana kristianina ny vavaka... ♦ Hitarina ny velaran-tany hambolena ny vokatra ara-biolojia eto Madagasikara. Naseho omaly ny vokatry ny fanadihadiana momba izany... ♦ Navadika ho fandrahonana ho faty ny fitakian'ny tompon-tany ny antony namefen'ny olona iray ny tanin'izy ireo tao Ambohitanety-Alasora... Olona maromaro no nohenoina teny amin'ny paositry ny pôlisy Analamahitsy...
Mamolavola toromarika ara-politika ny fiangonana. Voizin'ny fiangonana ny hasin'ny maha-olona, ny soa iombonana. Ny fifanampiana tsy misalovana andraikitra, zava-dehibe ny soa iombonana izany hoe ho an'ny daholobe ny harena. Mila ezaka miaraka ny soa iombonana ary eo no hisehoan'ny firaisan-kina. Katesizy momba ny pastoraly sosialy, iarahana amin'i P. Randrianomenjatovo Fenohasina Dorysse.
Alakamisy 14 aprily 2022 — Alakamisy Masina. Fahatsiarovana ny Fanasan'ny Tompo — Didy vaovao no omeko anareo, hoy ny Tompo, dia izao: Mifankatiava ianareo, ary aoka ho toy ny nitiavako anareo no hifankatiavanareo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 13, 1-15
• Kristy, loharanon'ny fanantenana, ny fampihavanana ary ny fiadanana. Vinan'ny Fiangonana Fianakavian'Andriamanitra eto Afrika, ho an'ny 25 taona ho avy. Io no hafatra avy amin'ny Fihaonambe faha-20-n'ny Fivondronamben'y Eveka Katolika eto Afrika sy Madagasikara... • Tontosa ny 10 aogositra 2025 ny Eokaristia Masina, nametrahana an'i Mgr Marek Ochlak, teo amin'ny fiketrahana maha Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana azy... • Na aiza na aiza misy antsika, aza avela ho verivery foana ny fotoana ahafahana mitia. Io no fanentanana nataon'ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco