♦ 0lona 4 no nampidirina am-ponja vonjimaika eny Antanimora, mikasika ilay raharaha vato sarobidy saika haondrana any ivelany tamin'ny alakamisy teo... ♦ olona 4 no lasan'ireo dahalo ho takalon'aina ary trano 53 tafo no may kila forehitra vokatry ny fanafihana mahery vaika tany Bebozaka, kaominina Itondy-Miandrivazo afak'omaly... ♦ Lany ho solon-tenan'ny antenimeram-pirenena eny anivon'ny CENI Andriamatoa Houssein Abdallah. Tanterahina rahampitso ny fifidianana izay ho solon-tenan'ny mpanao gazety ho eo anivon'ny CENI...

Maro ireo tanora no tsy mahalala ny maha-izy azy. Eo am-pifaneraserana amin'ny hafa, ao anatin'ny fanekena sy ny fanajana ny fahasamihafàna no hahafahana mitrandraka izany. Ilaina ny mahatsapa ny fifamenoana ary amin'izany no hahafantarana ny andraikitra sy ny anjara toerana eo amin'ny fiaraha-monina. Katesizy momba ny fananana hazon-damosina, iarahana amin'i P. Rakotonarivo Fidy Isidore.

Alarobia 27 oktobra 2021 — Herinandro fahatelopolo mandavantaona — Tsy ny mofo ihany no iveloman’ny olona, fa ny teny rehetra aloaky ny vavan’Andriamanitra — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 13, 22-30

♦ Nitrangan'ny fanafihan-dahalo mahery vaika indray tany Bebozaka, Kaominina Itody, Distrikan'i Miandrivazo any amin'iny Faritr'i Menabe iny. Olona efatra no ataon'ny dahalo takalon'aina ary trano 53 tafo no may kila forehitra... ♦ Asa fanaovan-gazety, nanolotra ny fitantanana ho an'ny Filohan'ny holafitra vaovao, Rasoloarison Monica ny Filohan'ny holafitra teo aloha. Ho fiarovana ny asa fanaovan-gazety no antony, hoy i Rakotonirina Gérard...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 aogositra 2025

• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025... 

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...