Alakamisy 14 oktobra 2021 — Herinandro favalo amby roapolo mandavantaona — Ampianaro ahy, ry Tompo ny lalanao, ary tariho ho amin’ny lala-mahitsy aho — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 11, 47-54

♦ Feno efa-taona androany ny nahafatesan'ny Filoha teo aloha, ny Pr Zafy Albert. Mbola misy amin'ireo mpiara-dia aminy no mitaky ny hanokafana ny Kianjan'ny demokrasia eny Ambohijatovo... ♦ Tsy liana ary tsy resy lahatra amin'ny voka-tsoa azo avy amin'ny fandalinana ny literatiora malagasy sy ny boky ny ankizy Malagasy... ♦ Lavon'ny Polisim-pirenena teny Tanjombtao kosa ny tolakandro teo ny jiolahy miisa telo...

♦ Mandritra ny filan-kevitry ny ministra anio no handinihana lalina ny fanokafana ny  sisin-tanin'i Madagasikara, indrindra ny manodidina ny sehatry ny fahasalamana... ♦ Hifarana tanteraka ny zoma 29 oktobra ho avy izao ny fe-potoana niasan'ireo mpikambana nandrafitra ny CENI... ♦ Ampahafantarina ireo solombavambahoaka sy ireo loholon'i Madagasikara ny foto-kevitra sy zo fototra momba ny tontolon'ny asa, eo anivon'ny OIT. Jerena koa ny momba ny fankatoavana ireo fifanarahana sy lalàna iraisam-pirenena, izay andraikitry ny parlemanta. Anatin'ny atrik'asa atao any Antsirabe...

Mba hananana fahasalamana feno dia ilaina ny fametrahana tanjona ara-pahasalamana. Isan'ny antoka hazoana fahasalamana ny fandanjalanjana ny sakafo, ny torimaso ary ny fampiasam-batana. Fandaharana "Ampela Miary", vokarina eto amin'ny radio Don Bosco.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 aogositra 2025

• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025... 

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...