♦ Homarihana manomboka ny 1 septambra 2021 izao ny fankalazana ny faha-120 taonan'ny Eglizy Iraka Masina Misely Arkanjely, ao Antsiranana... ♦ Nifarana omaly ny fiofanana ntaon'ireo katesista 66 mianadahy tao amin'ny Diôsezin'i Port-Bergé... ♦ Nanao antso avo amin'ny mpino katôlika, ny Papa François, mba hifady hanina sy hivavaka ho an'i Afghanistan...

♦ Nahemotra amin'ny sabotsy ny lalaon'ny Barea sy Bénin miaraka amin'ny fitokànana ny kianjaben'i Mahamasina. Nilaza izany ny filoham-pirenena ny maraina teo, tesy Ivato... ♦ Andrasana amin'ity herinandro ity ny fihaonan'ny ministeran'ny indostria sy ny varotra amin'ireo mpandraharaha mpanafatr'entana avy any ivelany, fifampidinihana mikasika ny vidin'ny PPN... ♦ Tsy eken'ireo chef ZAP sasany ny fitakian'ny SEMPAMA ny hanesorana amin'ny toerany ny lehiben'ny Cisco Mananjary, nambara fa nanodikodim-bola...

♦ Vinavinaina ho afaka handray anjara amin'ny fifidianana Filoham-pirenana amin'ny taona 2023, ireo teratany Malagasy monina any Frantsa, araka ny kabarin'ny Filoham-pirenena tao Paris... ♦ Tadiavin'ny Kaominina Antananarivo alaina ny ampahany amin'ny Kianja Maki Andohatapenaka, araka ny fitarainan'ny Federasiôna Malagasin'ny baolina lavalava. Mangataka fihaonana amin'ny Filoha izy ireo, manoloana izao zava-misy izao...

Manampy hanome heviny ny fiainana ny fitantarana azy amin'ny hafa. Afaka manova ny fiheverany teo aloha mahakasika ny fiainany ny mpitantara ka manome heviny sy manome lanja ireo zava-mitranga teo amin'ny fiainana toy ny mala lesona. Katesizy momba ny fifampizarana andram-piainana, iarahana amin'i P. Hermann Solonomenjanahary.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 1 septambra 2025

Hafatra avy amin'ny Vaomieran'ny Eveka momba ny Rariny sy ny Fiadanana eto Madagasikara, ao anatin'izao volana natokana ivavahana sy handraisana an-tanana ny tontolo iainana izao... Manentana ny olon-dehibe rehetra hikajy ny tontolo iainana, hahay hifandray amin'ny hafa ary hitondra tsirim-panantenana ho an'ny rehetra, ny Hafatra avy amin'ny JNA andiany faharoa, notanterahana tany amin'ny Diosezin'i Morondava... Niantso ny rehetra hanana fanetren-tena ny Papa Léon XIV omaly, nandritra ny vavaka Angelus...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...