Alatsinainy 30 aogositra 2021 — Herinandro faharoa amby roapolo mandavantaona — Ny teninao, ry Tompo, no fahamarinana. Ankamasino amin’ny fahamarinana izahay — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 4, 16-30

Manampy ny tena hahay handray an-tanana ny fiainana amin'ny mahaizy azy  ihany koa ny fifampizarana. Hoy papa Fransoa : ny fananana ny finoana sy  ny fananana an'i Jesoa Kristy no sakaiza hanampy antsika hamakivaky ny fiainana. Katesizy momba ny fifampizarana andram-piainana, iarahana amin'i P. Hermann Solonomenjanahary.

Alahady 29 aogositra 2021 — Alahady faharoa amby roapolo mandavantaona — Hanazava ny masom-panahintsika anie Andriamanitra, Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika; mba hahalalantsika ny fanantenana niantsoany antsika — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 7, 1-8. 14-15. 21-23

Ny Kistan'ny atodinaina dia fivontosana hita eo amin'ny atodinaina na "ovaire", ity farany moa dia taova iray ao anatin'ny taovam-pananahan'ny vehivavy. ity tranga ity dia mety hiseho ho an'ny vehivavy rehetra ao anatin'ny taona ahafahana miteraka. Ny antony mety mahatonga io kista io dia ny fikorontanan'ny tsirim-panentana eo amin'ny vehivavy. Ny fambara : mikorontana ny fadimbolana ary marary. marary ny andoha vania amin'ny fotoana maha lonaka, marary rehefa manao firaisana ara-nofo...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 1 septambra 2025

Hafatra avy amin'ny Vaomieran'ny Eveka momba ny Rariny sy ny Fiadanana eto Madagasikara, ao anatin'izao volana natokana ivavahana sy handraisana an-tanana ny tontolo iainana izao... Manentana ny olon-dehibe rehetra hikajy ny tontolo iainana, hahay hifandray amin'ny hafa ary hitondra tsirim-panantenana ho an'ny rehetra, ny Hafatra avy amin'ny JNA andiany faharoa, notanterahana tany amin'ny Diosezin'i Morondava... Niantso ny rehetra hanana fanetren-tena ny Papa Léon XIV omaly, nandritra ny vavaka Angelus...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...