Zoma 9 jolay 2021 — Herinandro fahefatra ambin'ny folo mandavantaona — Hamirapiratra tahaka ny fahazavan’izao tontolo izao ianao, raha mitana ny tenin’ny fahamarinana — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 10, 16-23

♦ Mbola mamerina ny antso mba hisian'ny fitoniana sy ny filaminana, ka haneho fifandeferana sy ny hamom-po pôlitika handresena ny kere sy ny Covid-19 ny CFM. Miatrika fivoriana ara-potoana faharoa moa ity rafi-panjakana ity, nanomboka androany... ♦ Niverina nitokona indray androany, ireo mpiasan'ny Paositra Malagasy. Misy ny hetsika firaisan-kinan'ireo mpiasan'ny Paositra manerana ny Nosy, mandritra ny tapak'andro, ho an'ny rahampitso sy amin'ny sabotsy izao...

♦ 15 jolay 2020 : feno herin-taona ny nahamay ny Ôfisim-pirenena momba ny tontolo iainana, mitohy sy mivoatra ny fanadihadiana mikasika ny antony nahamay ny ONE. Nosokafana ny  fanadihadiana manokana ara-teknika sy siantifika ataon'ireo manam-pahaizana manokana momba ny hain-trano. ♦ Varika matavy rambo : :tamin'ny taona 1970 no nahitàna azy voalohany teo Madagasikara, tsy mbola voafaritra mazava ny toerana tena misy azy. ♦ Ny mandrafitra ny tetiandro-pambolena... 

♦ Nandray anjara tamin'ilay velan-kevitra nokarakarain'ny masoivoho momba ny fifindramonina vokatry ny fiovaovan'ny toetr'andro ny KMF CNOE-Fanabeazana olom-pirenena... ♦ Tsy maintsy mandalo fanofanana avokoa  ireo mpampianatra hiditra eo amin'ny sehatry ny fanabeazana, tanjona ny hampiakarana ny kalitaon'ny fanabeazana... ♦ Havoaka amin'ny fomba ôfisialy rahampitso ny boky vaovao mitondra ny lohateny hoe : "Saina Miabo", nosoratan'Andriamatoa Aimé Rasamison... 

[Miara-dàlana] Alatsinainy 8 septambra 2025

• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...