Mba hahafahana manana ny finoana dia ilaina ny manana fahazarana mivavaka. Miara-mivavaka ny mpianakavy ao an-trano ao. Ilaina ny manao fifanakalozana ara-panahy: mamaky Baiboly sy mifampizara izay azony sy nanaitra azy tao. Ilaina ny mivavaka any am-piangonana sy miditra Fikambanana Masina na firohotana krisitianina mba ho fanamasinan-tena. Katesizy momba ny fianakaviana iarahana amin’i P. Randriamanamahenina Robert Maria

Alarobia 28 aprily 2021 — Herinandro fahefatra fankalazana ny Paka — Nitsangan-ko velona i Kristy, sady nitondra antsika amin’ny mazava: isika izay navotany tamin’ny Rany — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 12, 44-50

♦ Manohana ny Faritra Analamanga amin'ny ady atao amin'ny Coronavirus ny Ministeran'ny Rano sy ny Fanadiovana ary ny Fidiovana. Ranom-panafody famonoana otrik'aretina, apetraka amin'ireo biraom-panjakana samihafa ato amin'ny Faritra no natolotry ny Ministera... ♦ Nihena tsy toa ny isan'andro ny tranga vaovao mitondra ny tsimok'aretina Coronavirus omaly, Tranga vaovao 145 no hita tamin'ny fitiliana 734. Miisa 502 no sitrana soamantsara...

♦ Andrasana hivoaka anio ny fanambarana ôfisialy, tohin'ilay fanapahan-kevitra omaly, nanekena ny hamerenana ireo fandaharana sy ady hevitra pôlitika amin'ny haino aman-jery maromaro, eto Antananarivo... ♦ Mbola nisy sidina avy any ivelany tonga ihany, tetsy amin'ny seranam-piaramanidina Ivato, nitondra mpandeha 280 avy any Frantsa. Miteraka resabe amin'izao ny fisina'izy ity, tao aorian'ny nanambarana fa mijanona ny sidina iraisam-pirenena...

[Miara-dàlana] Zoma 12 septambra 2025

• Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 septambra 2025, ny fiofanana iraisam-pirenena ho an'ny pretra aomonie sy ny mpitantana ara-panahy ny skoto aty Afrika... • Mankalaza ny faha-70 taona niorenany ny Masera Fo Madion'i Maria ao Antsiranana... • Hampitambatra sy hampiray ny finoana sy ny antokom-pivavahana, fa tsy hampisara-bazana, hoy ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...