Mila fitoniana ny olona ankehitriny, indrindra manoloana izao valan'aretina izao, mila mametraka filaminana sy fandaminana. Miezaka mametraka fifandraisana tsara manomboka eo anivon'ny ankohonana ary miitatra hatramin'ny fiaraha-monina... 

♦ Ho tonga eto Madagasikara, afaka dimy ambin'ny folo andro, ny vakisiny fanefitry ny Covid-19 izay nafaran'ny fitondrana malagasy, araka ny fampahafantaran'ny Mnisitry ny Fahasalamam-bahoaka, omaly... ♦ Efa ho ny 60%-n'ireo mpiasan'ny fahasalamana, na ny mpitsabo na ny paramed, amin'izao fotoana izao no marary na ihany koa efa nararin'ny Coronavirus tato anatin'ny iray volana, raha ny tatitra ntaon'ny sendikan'ny 6FM...

Tsy misy intsony ny hafanan’ny fifankatiavana, ny fifampihainoana ary ny fifampizaràna ao an-tokantrano. Vitsy dia vitsy ny tokatrano manam-pinoana ka maneho eto ivelany izany hoe tokatrano kristianina izany. Katesizy momba ny fianakaviana, miaraka amin'i P. Randriamanamahenina Robert Maria

Zoma 23 avrily 2021 — Herinandro fahatelo fankalazana ny Paka — Nitsangan-ko velona i Kristy, sady nitondra antsika amin’ny mazava, isika izay navotany tamin’ny Rany — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 6, 52-59

[Miara-dàlana] Zoma 12 septambra 2025

• Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 septambra 2025, ny fiofanana iraisam-pirenena ho an'ny pretra aomonie sy ny mpitantana ara-panahy ny skoto aty Afrika... • Mankalaza ny faha-70 taona niorenany ny Masera Fo Madion'i Maria ao Antsiranana... • Hampitambatra sy hampiray ny finoana sy ny antokom-pivavahana, fa tsy hampisara-bazana, hoy ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...