♦ Manampy an'i Madagasikara amin'ny fametrahana politikam-pirenena momba ny fiahiana ara-tsosialy ny Banky iraisam-pirenena, 150 tapitrisa dolara no famatsiam-bola ho azontsika amin'izany... ♦ Niantso tsy ara-potoana voalohany ho an'ny Antenimiera mpanao lalana, ny fahefana mpanatanteraka, tamin'ny alalan'ny filan-kevitry ny minisitra...

Alakamisy 11 marsa 2021 — Herinandro fahatelo amin'ny Karemy — Ario lavitra anareo ny fahadisoana rehetra nataonareo, hoy ny Tompo; ary manaova fo vaovao sy saina vaovao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 11, 14-23

♦ Mafy orina sy mitohy tsara ny fiaraha-miasa eo amin'ny Baky iraisam-pirenena sy i Madagasikara, fa tsy araka izay inian'ny sasany aely, hoy ny Minisitry ny toe-karena sy ny teti-bola, raha nanao sonia ny fahazoana fanomezana 150 tapitrisa dolara avy amin'ny Banky iraisam-pirenena androany... ♦ Mety hampiantso fivoriana tsy ara-potoana ho an'ireo parlemantera, amin'ny herinandro ambony ny governemanta, araka ny fanadihadiana natao teny amin'ny Antenimierandoholona, ka lahadinika amin'izany ny mahakasika ireo mpikambana ao amin'ny Fitsarana Avo momba ny Lalam-panorenana...


Tsy nandao an'i Maria i Josefa noho izy nino ny filazan'ny anjelin'ny Tompo. Nanaiky ny iraka nankinin'Andriamanitra taminy izy: Niambina ny fahavirijinian'i Maria ary niantoka ny fahamarinan'ny maha-olombelona an'i Jesoa.

[Miara-dàlana] Zoma 12 septambra 2025

• Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 septambra 2025, ny fiofanana iraisam-pirenena ho an'ny pretra aomonie sy ny mpitantana ara-panahy ny skoto aty Afrika... • Mankalaza ny faha-70 taona niorenany ny Masera Fo Madion'i Maria ao Antsiranana... • Hampitambatra sy hampiray ny finoana sy ny antokom-pivavahana, fa tsy hampisara-bazana, hoy ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...