Talata 2 febroary 2021 — Fankalazana manetriketrika ny nalorona ny Tompo — Fahazavana hanilo ny Jentily Izy, sady voninahitr’i Israely olonao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 2, 22-40

♦ Nanoratra taratasy fampahatsiahivana ny fitsipika mifehy ireo solombavambahoaka ny Filohan'ny Antenimierampirenena, Christine Razanamahasoa, androany... ♦ Mahatratra roapolo ireo olona karohina noho ny fanaovana heloka amin'ny fitaovan-tserasera, tamin'iny volana janoary lasa teo iny...

Mandray ny fahasoavan’Andriamanitra izay vita Batemy, ka tonga zanak’Andriamanitra sy voahary vaovao. Ny fanalàna amin’ny ota sy ny fahateraham-baovao ao amin’ny Fanahy masina noho izany no vokatra roa lehibe azo avy amin’ny Batemy.

Hofanomezana tosika ireo mpandraharaha noho ny fahavoazana nahazo azy ireo tamin'ireny krizy ara-pahasalamana ireny, sy ho fanarenana ny toe-karena amin'ny ankapobeny, dia nametraka ny "plateforme digitale" na ny tabazotran-tserasera ara-barotra ny FIVMPAMA, na ny Fivondronan'ny Mpandraharaha Malagasy...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 15 septambra 2025

• Avoaka amin'ny fomba ofisialy ny sabotsy 20 septambra 2025, ny Andiany Masindahy Augustin, eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Manentana antsika hivavaka ho an'ny fifandraisan'ny olombelona amin'ny voaary manontolo, ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa Maneran-tany,  ho an'ity volana septambra ity... • Avy amin'ny Hazofijalina ny fiainana mandrakizay, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny vavaka Angelus, omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...