♦ Hirotsaka ny orana amin'ny faritra maro manerana ny nosy amin'ity herinandro ity. Orana voajanahary no ho avy fa tsy artifisialy akory... ♦ Marihina anio ny andro maneran-tany iadiana amin'ny areti-mandoza VIH/Sida, hisy hetsika eny  Faravohitra... ♦ Coronavirus any Etazonia : atahorana hirongatra indray, olona 9.000.000 no tsy voasakana fa mbola nandao ny tanony, noho ilay fomba fanao "ThanksGiving"...

Talata 01 desambra 2020 — Herinandro voalohany amin'ny Fiaviana — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 10, 21-24 — Avia, ry Tompo, vangio am-piadanana izahay mba hifalianay amin’ny fo lavorary.

♦ Oram-baratra natoraly no andrandraina hirotsaka manomboka androany fah tsy orana artifisialy, hoy ny teknisianin'ny Météo... ♦ Nahatratra 30 ireo mpiasan'ny KRAOMA naratra tamin'ny sakoroka omaly, hoy ny delegen'ny mpiasa. Nandiso izany anefa ny solombavambahoakan'i Tsaratanana... ♦ Miisa 11.000.000 ireo ankizy latsaky ny 5 taona mitondra faisana vokatry ny tsy fanjariantsakafo sy ny valanaretina...

♦ Fiaraha-miombom-bavaka teny amin'ny Ekar Antanimena no nanokafan'ny FFKM ny faha-40 taona nijoroany... ♦ Vola metentina 76.000.000 Euro avy amin'ny vondrona Eropeana no hanavaozana ny tambazotra iombonana mitondra ny rano ao Antananarivo renivohitra... ♦ Nanokatra fanadihadiana momba ny nahafatesan'i Diego Maradona ny fitsarana any Argentine...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 15 septambra 2025

• Avoaka amin'ny fomba ofisialy ny sabotsy 20 septambra 2025, ny Andiany Masindahy Augustin, eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Manentana antsika hivavaka ho an'ny fifandraisan'ny olombelona amin'ny voaary manontolo, ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa Maneran-tany,  ho an'ity volana septambra ity... • Avy amin'ny Hazofijalina ny fiainana mandrakizay, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny vavaka Angelus, omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...