♦ Navotsotr'ireo jiolahy nanafika tao Mangaben'i Sahananto androany, ireo olona enina nataon'izy ireo takalon'aina... ♦ Mihisatra eo anivon'ny "Conservateur" ao Nosy-Be, efa ho herintaona mahery izao, ny fanoratana tany iray mirefy 1Ha mahery ao Ambonara... ♦ Miankina amin'ny Filankevitry ny Governemanta manokana, izay hotanterahana any Toamasina amin'ity herinandro ity, ny ho avin'ny Anjerimanontolo, hoy ny SECES androany...
♦ Mivangongo ny fakon'Antananarivo tato ho ato. Manginy fotsiny ny haratsian-dalana. Tsy fahaiza-mitantana no mahatonga izao zava-miseho ao an-drenivohitra izao hoy ny mpanolon-tsain'ny tanàna, Toavina Ralambomahay... ♦ Miandrandra fanavaozana ny fitantanana ny Tahirim-pirenena amin'ny tale jeneraly vaovaon'ny CNaPs ny Randrana sendikaly. Fatiantoka ny fitokonan'ny mpiasa, raha ny lalàna amin'izao ihany no mbola hitondràna ny CNaPs hoy izy ireo... ♦ Nisehoana fanafihan-jiolahy nahery vaika tany amin'ny tanànan'i Mangaben'i Sahananto, Distrikan'i Toamasina-II. Olona iray tamin'ireo voatafika no novonoin'ireo jiolahy mitam-piadiana, olona miisa 6 no natao takalon'aina...
♦ Nikatona hatreo ny Andro Eran-tany ho an'ny Tanora "JMJ" andiany faha-37 notanterahina tany Lisbonne Portugal. Namela hafatra ho an'ireo tanora ny Papa nandritra ny Lamesa fanirahana omaly... ♦ Hiroso amin'ny fisamborana ireo tratra miloka andalam-be ny eo anivon'ny Polisim-pirenena. Olon-dehibe 5 lahy no nosamborin'ny Polisy, rehefa nanao izany fandikàn-dalàna izany tao an-drenivohitra ny faran'ny herinandro teo... ♦ Laharana faha-13 no nisy an'i Madagasikara tamin'ny lalaon'ny Frankôfônia tany RD. Congo. Nandrombaka medaly volamena miisa 3, medaly volafotsy miisa 4, ary medaly alimo miisa 2, isika Malagasy... ♦ Tapitra omaly ny fe-potoana nomen'ny Vondrona CEDEAO ny tafika nanongam-panjakana tany Niger...
♦ Nitaky fanazavana momba ny fomba ahitany ny rejisi-pifidianana ampiasaina amin'ny fifidianana teny amin'ny CENI teny Alarobia omaly ny antoko Malagasy Miara-Miainga. Miandry amin'ny herinandro hoy ny tompon'andraikitra vao azo tanterahana izany... ♦ Laharana faha-12 amin'ireo firenena mandray anjara amin'ny lalaon'ny frankôfônia any Kinshasa i Madagasikara omaly. Nandrombaka medaly volamena teo amin'ny taranja Judo indray Laura Rasoanaivo... ♦ Mamporisika ny fanatanterahana ny fizarana karan-tany ho an'ny olom-pirenena tokony hisitraka izany ny Sehatra Iombonana ho an'ny Fananan-tany saingy tokony hatao anatin'ny fanarahan-dalàna ny asa atao...
• Notanterahana tao amin'ny Sanctuaire Lakroa Masina ao Łysa Góra ny alarobia 9 jolay 2025, ny fombam-pivavahana namindrana ny reliques an'ny Lakroa Masina, ho entin'i Mgr Marek Ochlak, Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana, ho aty Madagasikara... • Manentana antsika mianakavy hivavaka ho an'ny fianarana mandanjalanja ny Papa, ao anatin'ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa maneran-tany, amin'ity vola jolay ity... • Mampirisika ny zokiolona ny Papa, mba hitahiry amim-pitokiana ao amin'ny Tompo ary hanaiky havaoziny isan'andro amin'ny fihaonana aminy, ao anatin'ny vavaka sy ny Sorona Masina. Ambarany izany ao anatin'ny hafatra ho an'ny Andro Maneran-tany faha-5 ho an'ny raibe sy ny renibe ary ny zokiolona...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco