♦ Ny fanamafisana ny Katesizy ho an'ny Fianakaviana sy ny fanatsarana ny fomba fampitàna hafatra no votoatin'ny tombana nataon'ireo pretra mpanolotra fandaharana, nandritra ny fihaonan'izy ireo, natao tety amin'ny radio Don Bosco, omaly... ♦ Ny tsy hisian'ny fihoaram-pefy sy hanajana ny lalàna no tanjon'ilay sata hifampifehezan'ny antoko pôlitika, araka ny fampahafantarana ny momba azy io, omaly... ♦ Lany tsy nisy nitsipaka teny amin'ny antenimieram-pirenena, omaly, ny volavolan-dalàna mifehy ny Orinasa Kôperativa... ♦ Farafahakeliny olona miisa 4 no namoy ny ainy, tany amin'ny ilany andrefana any Haïti, vokatry ny horohoron-tany nitranga omaly...

♦ Nifantoka tamin'ny fanamafisana ny katesizy ho an'ny fianakaviana sy ny fanatsarana ny fomba fampitana hafatra, ny tombana nataon'ireo pretra mpanolotra fandaharana, nandritra ny fihaonan'izy ireo androany, teto amin'ny Radio Don Bosco Ivato... ♦ Natao hifampitaizana mankany amin'ny tsaratsara kokoa ilay sata hifampifehezan'ny antoko pôlitika, hoy ny solontenan'ny Kômity mpanara-maso ny fampiharana izany. Nampahafantarina androany, izany sata izany...

♦ Tsy maintsy tanterahina amin'ity taona ity ny fifidianana filoham-pirenena, na misy lesoka na tsia, hoy ny mpamakafaka pôlitika, Toavina Ralambomahay. Nambarany fa tsy tokony hihoatry ny volana janoary 2024 ny tetezamita, raha hisy izany... ♦ Hisy indray ny fihaonana fanin'efany eo amin'ny filoha Frantsay sy Malagasy amin'ity volana jona ity. Tombanana amin'ity herinandro ity na amin'ny herinandro ho avy io no hisian'izany any Paris... ♦ Tobin'ny Jirama 78 amin'ireo 118 no hampivadiana famokarana herinaratra azo avy amin'ny masoandro sy ny fampiasàna solika ato anatin'ny herin-taona. 400 miliara Ariary ny teti-bola hanaovana izany, miaraka amin'ny Banky iraisam-pirenena...

♦ Notendren'ny Papa François ho Arsevekan'Antananarivo Mgr Jean de Dieu Raoelison, Evekan'Ambatondrazaka. Izy no handimby an'i Mgr Odon Razanakolona, izay nangataka hitsahatra amin'ny fitantanana ny Arsidiôsezin'Antananarivo... ♦ Naverina any am-ponja any Nosy-Be i Ninie Donia omaly, taorian'ny fitsabona azy tany amin'ny hôpitaly. Napetraka eo ambany fanaraha-maso ny fitsaràna kosa Ramatoa Dorris Rakoto Samuel, taorian'ny nakàna azy teny amin'ny trano fonenany teny Andoharanofotsy... ♦ Heverina ho voavaha ny alakamisy na ny zoma izao ny delestazy tato ho ato ho an'ny tambajotra famatsiana herinaratra iraisan'Antananarivo...

Hafatra avy amin'ny Eveka eto am-pamaranana ny Fivahiniana Masina

Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...