♦ Miantso ny mponina samy ho mailo manoloana ny rotsak'orana nisesisesy tato ho ato ny tompon'andraikitra ao amin'ny kaominina Antananarivo-renivohitra. Efa nisy mantsy hoy izy ireo ny tamboho nirodana tamin'ny faritra avo. Efa nisy koa ireo nazera... ♦ Tsy voahaja ny fifanarahana ara-tsosialy niarahan'ny orinasa mpitrandraka fasimainty ao Taolagnaro sy ny Fanjakàna hoy ny vovonan'ny firaisamonim-pirenena any amin'ny Faritra Anosy... ♦ Tsy nahafapo ny mpiasan'ny orinasa Madarail ny fihaonan'izy ireo tamin'ny solontenan'ny Ministeran'ny Fitanterana sy ny famantarana ny toetr'andro. Hiroso amin'ny fitokonana faobe ireo mpiasa...
♦ Hosokafana amin'ny fomba ôfisialy ny alarobia 10 desambra izao, raha tsy misy ny fiovàna ny dinika ho fanavaoazam-pirenena, karakarain'ny FFKM. Fampivondronana ny olona rehetra tsy ankanavaka ho fanangonan-kevitra no iraka nankinina amin'ny FFKM... ♦ Tonga nanatitra vata mpanova herinaratra (transformateur) miisa 28 ho an'ny orinasa JIRAMA eny Antanetibe-Ilafy, ny sabotsy 6 desambra teo ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblikan'i Madagasikara, Randrianirina Michaël sy ny Praiministra Herintsalama Rajaonarivelo... ♦ Tsy miankina amin'ny fiovam-pitondrana teto Madagasikara ny tetik'asa tanterahan'ny FID tahirim-bola ho an'ny fambandrosoana...
♦ Eglizy mitondra ny anaran'i Victoire Rasoamanarivo Olontsambatra, no tsangambaton'ny fankalazana ny faha-70 taonan'ny Diôsezin'Antananarivo, izay notsofin-drano nadritry ny fivahinianana Masina nataon'ny Kristiana teo Ampahateza-Ambohipo, omaly... ♦ Mitaky ny hisamborana sy hanaovana fanadihadiana an'ireo olona tratra nangalatra vy tao amin'ny orinasa SUCOMA Analaiva-Morondava ny Evekan'i Morondava Mgr Maria Fabien Raharilamboniaina... ♦ Mpiasa miisa 7 amina orinasa iray mpamokatra toaka no nahiditra am-ponja vonjimaika tsy ara-drariny eny Antanimroa, efa ho 4 volana izao...
♦ Lany tsy nasiam-panitsiana teo anivon'ny antenimieran-doholona ny volavolan-dalàna mifehy ny fitantanam-bolam-panjakàna 2026... ♦ Miankina amin'izay tapaky ny mpizaika mandritra ny fikaonandoham-pirenena ny tohin'ny fitakiana ireo Nosy manodidina hoy ny Filoham-panjakàna Michaël Randrianirina... ♦ Disitrikan'i Vohemar sy Sambava / Olona 29 nogadraina, trano 80 tafo no rava, vokatry ny disadisa amin'ny fitantanan'ny MBG ny Faritra arovana sy ny Fokonolona... ♦ Ny filoha Amerikana Donald Trump no nahazo ny loka "Prix de la paix de la Fifa" tamin'ity taona 2026 ity...
• Tovolahy miisa valo no nanonona ny Voady Voalohany, hiditra ho mpikambana ao amin'ny Fikambanana Salezianin'i Don Bosco, ny talata 8 septambra 2026... • Fanomezana sarobidy sy andraikitra tsy maintsy arovana ny fahamendrehan'ny maha olona, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny “Audience générale” ny alarobia 9 septambra 2026... • Nandray ireo Eveka vaovao miisa 147 namonjy ny fiofanana any Roma, ny Papa Léon XIV omaly...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco