• Misy andia-miaramila mirongo fitaovam-piadiana manambana haka ny fitantanana ny haino aman-jerim-panjakana ny hariva teo, hoy ny Fiadidiana ny Repoblika... • Miisa valo ireo ampahany amin'ny gadra politika nahazo famafan-tsazy faobe, araka ny didim-panjakana voasonian'ny Filohan'ny Repoblika... • Mbola nitohy sy nifanindran-dalana tamin'ny hetsika teny amin'ny Kianjan'ny 13 mey androany, ny fanambarana samihafa avy amin'ny sendika sy antoko politika...
♦ Hitafa amin'ny vahoaka Malagasy indray rahalina amin'ny 7 ora ao amin'ny Haino aman-jerim-panjakàna ny filoha Rajoelina Andry, araka ny fampahafantarana nataon'ny fiadidiana ny repoblika... ♦ Vonona hiara-hiasa amin'ny vahoaka, hihaino ny vahoaka, hanitsy izay tsy nety tamin'ny fomba fiasa ny zandary araka ny nambaran'ny COMGN voavao nandritra ny famindram-pibaikoana arak'asa ny maraina teo... ♦ Nanao fifonana ampahibemaso ho an'ny vahoakan'Antananarivo mahakasika ny fepetra tsy namelàna ny kianjan'Ambohijatovo ho sehatra nanaovana fanehoan-kevitra ny andron'ny 25 septambra teo ny prefet ny jeneraly Ravelonarivo Angelo...
♦ Tohin'ny hetsika "leo delestazy" : hitohy manrapivalin'ny fitakiana amin'ny fialan'ny filoha Rajoelina, hifampitaona eny amin'ny kianjan'ny 13 Mey indray anio alatsinainy, ireo mpitolona ary nilaza ny hampikatso ny fampandehanan-draharaham-panjakàna... ♦ Nahazo lehiben'ny fibaikona vaovao ny avy amin'ny tafika sy ny zandarimariam-pirenena, nilaza tsy mandray baiko afatsy amin'ireo lehibeny ireo araka izany ny miaramila sy ny zandary... ♦ Noesorin'ireo mpikamban'ny birao maharitry ny antenimieran-doholona tsy ho filohany intsony ny jeneraly Richard Ravalomanana...
♦ Olona 4 farafahakeliny no nosamborina vokatry ny hetsi-pitakiana tao an-drenivohitra androany. Olona maromaro no naratra teny Anosibe sy ny manodidina amin'izay hetsika nafàna tao an-drenivohitra izay... ♦ Naneho ny alahelony ny fianakavian'i Rivaldo, ilay tovolahy voatifitry ny basy tany Antsiranana, nandritra ny hetsika tany an-toerana. Nandiso ny nambaran'ny filoham-pirenena izy ireo fa tratra teo am-panaovana fandrobàna no nahafaty azy... ♦ Tsy mitsaha-mitombo ireo sendikà mitaky ny zony, manoloana izao zava-misy eto amin'ny firenena izao. Anisan'ireny androany ny sendikàn'ny Enjeniera momba ny fambolena...
• Tontosa ny sabotsy lasa teo ny fanamasinana ho pretra an'i Diakra Soamiely Alid Michel sy ny Diakra Razafimahafaly André avy amin'ny fikambanana Teny Andriamanitra... • Tafiditra tao anatin'ny fandalovan'ny “reliques” an'i Masindahy François d'Assise teto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo, ny fanamasinana pretra efatra sy diakra telo avy amin'ny fikambanana Ordre des Frères Mineurs Capucins... • Avoitran'ny fanoharana momba ny vary sy ny tsiparifary, ny fomba fiasan'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika olombelona sy eo amin'ny tantaran'i Jesoa Kristy, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco