♦ Notendrena alina ireo ministra telo mianadahy hisahana ny filaminana eto amin'ny tany sy ny firenena : asa maika miandry azy ireo ny famerenana ny filaminana anatin'ny fotoana fohy... ♦ Tsy manana fikasana hivoaka amin'ny fanajana ny lalam-panorenana fa hamita hatramin'ny farany ny fe-potoam-piasana dimy taona araka ny voafaritra ny lalàna ny filoha Rajoelina araka ny tafa nataon'ny tamin'ny vahoaka Malagasy alina... ♦ Mpanolontsaina an'ny tanàna an'Antananarivo mpitari-tolona : hitory ny filoha Malagasy eo anivon'ny Fitsarana ady heloka bevava iraisam-pirenena (CPI)...
• Nanao fanambarana manoloana ny zava-misy eto amin'ny firenena androany, ny mpitandrina eo anivon'ny FJKM. Miantso ny hanaovana fanadihadiana lalina momba ny zava-misy. Takiana ihany koa ny famoahana ireo voasambotra noho ny fanehoan-kevitra nataony... • Naparitaky ny mpitandro ny filaminana io takariva io, ireo mpanao fihetsiketsehana teny Anosy sy ny manodidina. Nisy ireo naratra novonjen'ireo mpitsabo mpanao asa an-tsitrapo... • Toherin'ireo antoko mpanohitra ny fanendren'ny Filoham-pirenena ny Praiminisitra vaovao omaly. Fiantsiana sy tsy fahavononana hitady vahaolana miaraka, izao zava-misy izao, hoy ny Vovonana Firaisankina...
♦ Vita sahady ny maraina teo ny famindram-pahefana teo amin'ny praiministra teo aloha sy ny vaovao. Nandao ny Lapan'i Mahazoarivo Andriamatoa Ntsay Christian, rehefa lehiben'ny Governemanta nandritra ny 7 taona sy 3 volana... ♦ Miantso ny antoko politika rehetra hanatevina ny tolona ny Génération Z. Namoaka fanambaràna momba ny raharaham-pirenena indray izy ireo ny maraina teo, taorian'ny fitsipahana ny fanendrena Praiministra, alina... ♦ Mitaky ny hanarenana ny lafiny sôsialiny ireo mpampianatra amin'izao toe-draharaha eto amin'ny firenena izao. Tokony averina amin'ny Ministeran'ny fanabeazana ny teti-bola 200 miliara Ariary, nomena ny JIRAMA hoy izy ireo...
♦ Voatendry, alina, ny Praiministra vaovao. Hisahana ny fitantanana ny lehiben'ny Governemanta ny Jeneraly Zafisambo Ruffin Fortunat Dimbisoa hisolo an'Andriamatoa Ntsay Christian, noho ny toe-drahararaham-pirenena... ♦ Namoaka fanambaràna avy hatrany alina ny eo anivon'ny Gen Z, taorian'izao fanendrena Praiministra vaovao izao. Fandrebirebena pôlitika fotsiny izany ka toherinay marin-drano hoy izy ireo... ♦ Hanomboka anio ny fitanterana ireo milina mavesatra mpamokatra herinaratra 105 MegaWatt avy any Toamasina mankaty Antananarivo. Hiteraka fanelingelenana ny fifamoivoizana amin'ny lalam-pirenena RN2, izany...
• Tontosa ny sabotsy lasa teo ny fanamasinana ho pretra an'i Diakra Soamiely Alid Michel sy ny Diakra Razafimahafaly André avy amin'ny fikambanana Teny Andriamanitra... • Tafiditra tao anatin'ny fandalovan'ny “reliques” an'i Masindahy François d'Assise teto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo, ny fanamasinana pretra efatra sy diakra telo avy amin'ny fikambanana Ordre des Frères Mineurs Capucins... • Avoitran'ny fanoharana momba ny vary sy ny tsiparifary, ny fomba fiasan'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika olombelona sy eo amin'ny tantaran'i Jesoa Kristy, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco