♦ Manana ny toerana eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena ankehitriny, i Madagasikara, ary mandroso ny fifandraisantsika amin'ny any ivelany, hoy ny Filoham-pirenena. Mitaky fotoana anefa ny ezaka atao hampamiratra an'i Madagasikara, hoy izy... ♦ Tokony ho olona tia tanindrazana sy mahafantatra ny olana iainan'ny vahoaka ary hitondra vahaolana momba izany, ireo Minisitra vao notendrena, hoy ny Solombavam-bahoaka Fetra Rakotondrasoa...
♦ Nijoro omaly ny Governemantan'ny Praiminisitra Ntsay Christian. Governemanta ahitana Minisitra miisa 27 ary Sekreteram-panjakana miisa roa... ♦ Manantena fidinana an-kianja ataon'ny mpikamban'ny Governemanta vaovao, mihaino ny vahoaka, ny fikambanana mpiaro ny zon'ny mpanjifa PMH... ♦ Nifarana omaly ny Fihaonambe faha-11 ho an'ny Fifanarahan'i Nairobi. Fihaonana iraisam-pirenena natao tetsy amin'ny CCI Ivato...
♦ Voatendry teny Iavoloha ny hariva teo, ireo mpikambana mandrafitra ny Governemanta vaovaon'ny Praiminisitra Ntsay Christian. Mpikambana 29 no mandrafitra ity Governemanta ity... ♦ Minisitra voasivana tamin'ny maro ireo notendrena ireo, hoy ny Filoham-pirenena androany tamin'ny lahateniny. Nambaran'ny Filoha fa tsy anarana fotsiny ny maha minisitra fa eo no manomboka ny asa... ♦ Nifarana androany ilay fihaonambe faha-11 ho an'ny Fifanarahan'i Nairobi, izay notontosaina teto Madagasikara. Adisisika sy fifanarahana maro no tinapaka nandritra izany...
♦ Tsy misy ny sakana tokony tsy ahatratraratsika ny fahavitan-tena ara-tsakafo hoy ny Ministry ny fambolena sy ny Fiompiana raha ny tohana ataon'ny tetik'asa sy ireo mpiara-miombon'antoka amin'i Madagasikara amin'izao fotoana izao. Nanazava ny sehatr'asan'ny ministera niadidiany moa ny Ministra Ratohiarijaonina Suzelin... ♦ Mampihantrano fivoriana iraisam-pirenena momba ny tontolo iainana i Madagasikara. Tanterahana etsy amin'ny Foibe Fandraisana Fivoriana Iraisam-pirenena, ny fivoriana an-tampon'ny fifanarahan'i Nairobi momba ny COP andiany faha-11... ♦ Baolina kitra, nahavita nihazona ady sahala 01 noho 01 tamin'ny tompon'ny amboaran'i Angola tatsy Luanda renivohitra Angolais ny Elgeco Plus...
• Nankahery ny vahoaka maneran-tany, hampanjaka ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana, ny Papa Léon XIV, tamin'ny fisehoany voalohany teo amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny 8 mey 2025 tamin'ny 7 ora sy 25 minitra, ora tany Roma... • Manentana ny olon-dehibe rehetra manerana an'i Madagasikara ny avy eo anivon'ny Vovonam-pirenena Katolikan'ny Lehibe, mba tsy hiandry farany vao hisoratra anarana, ho an'izay hiatrika ny JNA any Morondava... • Fenofeno ny fandaharam-potoanan'ny Papa Léon XIV, manomboka androany zoma 9 mey hatramin'ny sabotsy 24 mey 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco