Fialan-tsasatra tapa-bolana no anton-dian-dry Vola sy ny ray aman-dreniny tao Ambatomainty, saingy fotoana nahavitan'ny fianakavian-dry Vola sy ny fianakavian-dry Dera ny làlana nosoritan'ireto ray aman-dreny roa tonta tsy maintsy hodiavin'i Dera sy i Vola, na dia zavatra hafa aza no nanaitra an'i Dera tamin'i Vola teny am-piandohana, ary zavatra hafa indray taty aoriana.

Rava tamin-kafaliana hafahafa ilay fanambadiana makotrokotroka nahavory vahoaka maro. Nipoitra tamin'ny fotoana tsy noerotreretina ny marina : zanak'i Rojofotsy i Kalamina.

Zanaka mpivarotra enta-majinika tao amin'ny tanàna antsoina hoe : Ambatomainty i Dera. Sendra nividy zavatra tao aminy i Vola indray andro no toy ny nilatsaham-baratra izy nahita ity zazavavy niditra ny tsena. Teo no nanomboka ny tantaran'i Dera sy Vola.

Tao anatin'ny koranam-panambadiana : natsangana ireo nikolokolo sy namolavola an-drakalakely, dia ireo olona akaiky azy indrindra mba homen-kasina, fa azy moa ny hajam-bolana. Ary anisan'izany i Rojofotsy.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 29 aprily 2024

♦ Nanatanteraka fivoriana fikatsahana ny fampandehanana ny asa pastôraly, ireo kômity mpitantana ny Vikaria Betsiboka, ny faran'ny herinandro teo... ♦ Nanatanteraka hetsika maro sosona ny Aumônerie Catholique Universitaire an'ny Arsidiôsezin'Antsiranana izay ao antin'ny faha-40 taona nijoroany... ♦ Hitsidika an'i Madagasikara ireo Equipe Notre-Dame avy atsy amin'ny nosy La Réunion, ny 12 mey 2024. Fanirian'izy ireo ny hampahafantatra sy hampijoro izany eto Madagasikara...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...