Teo anoloan'i Sadaty i Kalamina no navotan-dRabiry. Teo am-pela-tanan-dRabiry indray izy no navotan'i Rojofotsy. Farany : tapa-kevitra ho any amin'i Sadaty izy.

Tratran'i Lefasy tao anatin'ny vela-pandrika nomaniny i Kalamina. Tsy afa-niala intsony. Babo izy izao, na dia nampiseho fahamalinana ihany aza teny am-boalohany.

Tonga tany an-tokantranon'ny raibe sy reniben'i Kalamina i Sadaty, ilay Srilankey sy ny tanan-kavanany hitady an'i Kalamina, saingy tsy nahatratra azy tao. Nametraka vola, tsy kely fa misimisy ihany, hanampena-maso ireto ireto masoandro amam-bolan'i Kala.

Na dia nanao izay tsy hifanenany amin'ilay Srilankey sy ny tanan-kavanany aza i Kalamina, dia tratrany tao anatin'ny tsy nampoizina ihany ; ary dia tongan'izy ireo tany an-tranon'ity liona mpihaza tsy azo nidifiana.

[Miara-dàlana] Zoma 26 aprily 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 20 aprily 2024 ny fanamasinana ho Eveka an'i S.E. Mgr le Cardinal Ángel Fernández Artime, Lehiben'ny Fikambanana Salezianin'i Don Bosco maneran-tany... ♦ Tao anatin'ny telo andro no nankalazan'ny Arsidiôsezin'i Fianarantsoa ny fetin'i Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, teo amin'ny Kianjan'i Masindahy Josefa, Ambozontany, sady fanokafana ny taom-bolafotsy naha Eveka an'i Mgr Fulgence Rabemahafaly... ♦ Mandalo eto Madagasikara indray ny Hetsika Focolari, vondrona miaina sy mampiaina ny Evanjely amin'ny alalan'ny hira sy ny dihy ary indrindra ny vavaka...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...