Tsy moramora ny fandresen-dahatra ataon'i Lefasy amin'i Kalamina mba hanaiky hiaraka amin'ilay Srilankey, na dia teo aza ireo tolotolotra maro isan-karazany nampitondrain'ilay tera-tany vahiny azy, satria lehilahy faha efatra mikendrikendry an'i Kalamina handrombaka ny fahadiovany izy.

I Sadaty dia tera-tany Srilankey mitrandraka vato any amin'ny tanàna misy an-dry Kalamina. I Lefasy mpanompo mahatoky azy kosa dia avy eo an-tanàna ihany. Nampitady tovovavy mbola virijiny an'i Lefasy ilay tera-tany vahiny. Volamena dimy grama no tambiny. Nahazo toky sy nanome toky azy avy hatrany i Lefasy fa mahita : tsy iza fa i Kalamina.

Tezitra tamin'i Kalamina i maman'i Zara renibeny fa hoe mirenireny eran'ny tanàna i Kalamina fa tsy manao raharaha , kanefa olona efa hanambady. Mirarakompana ny teny vetaveta ao anatin'izany rehetra izany.

Tankina i Rasera, hany mba mpifanerasera amin'i Kalamina eo an-tanàna raha nilazany hoe : "hanambady hono aho !". Nankahery azy sy vonona hanampy azy handà izany hatramin'ny farany izy.

[Miara-dàlana] Zoma 26 aprily 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 20 aprily 2024 ny fanamasinana ho Eveka an'i S.E. Mgr le Cardinal Ángel Fernández Artime, Lehiben'ny Fikambanana Salezianin'i Don Bosco maneran-tany... ♦ Tao anatin'ny telo andro no nankalazan'ny Arsidiôsezin'i Fianarantsoa ny fetin'i Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, teo amin'ny Kianjan'i Masindahy Josefa, Ambozontany, sady fanokafana ny taom-bolafotsy naha Eveka an'i Mgr Fulgence Rabemahafaly... ♦ Mandalo eto Madagasikara indray ny Hetsika Focolari, vondrona miaina sy mampiaina ny Evanjely amin'ny alalan'ny hira sy ny dihy ary indrindra ny vavaka...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...