30 nôvambra — Teraka tao Bethsaïde tao Galilée, amoron'ny farihin'i Tibériade i André. Mpanjono no asany, ary niaraka tamin'ny rahalahiny nantsoina hoe Simon izy tamin'izany. Mpianatr'i Jean-Baptiste izy ireo teo aloha, ary io no heverina fa nanao batemy azy.
Alakamisy 03 desambra 2020 — Herinandro voalohany amin'ny Fiaviana — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 7, 21. 24-27 — Indro ho avy ny Tompo hanavotra ny vahoakany ; sambatra izay vonona hitsena Azy.
29 nôvambra — Raha i Masindahy Saturnin resahana amin'ity daty ity dia zanaka mpanjaka grika. Samy manana ny filazany moa ireo tahirin-tsoratra ny amin'ny fotoana niainany. Ao ny milaza fa iray amin'ireo roa amby fitopolo lahy mpianatry ny Tompo izy, ary nahita ny fiainany sy ny nitsanganany ho velona ary ny niakarany tany an-danitra. Misy kosa ireo raki-tsoratra milaza fa niaina tamin'ny taonjato fahatelo izy.
28 nôvambra — Teraka tao Monteprandone tao Marche d'Ancône ao Italie tamin'ny taona 1391 i Masindahy Jacques de la Marche. Rehefa nieritreritra ny hisafidy izay toe-piainana arahiny izy dia nihevitra ny hirotsaka ho chartreux, nefa noho ny fifandraisany tamin'ny fransiskanina dia nanapa-kevitra izy ny hiditra tao amin'ny fikambanan'ny fransiskanina.
27 nôvambra — Niaina tamin'ny taonjato fahenina tao Paris i Masindahy Séverin. Mpanirery izy io, ary rehefa nahita ireo mpitoka-monina mpibanjina sy mihiboka izy dia naniry ny mba ho tao izany koa, ka nihiboka tao amn'ny trano kely nanamorona ny reniranon'i Seine, nivavaka sy nandini-tena.
Talata 01 desambra 2020 — Herinandro voalohany amin'ny Fiaviana — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 10, 21-24 — Avia, ry Tompo, vangio am-piadanana izahay mba hifalianay amin’ny fo lavorary.
Alahady 29 nôvambra 2020 — Alahady voalohany amin'ny Fiaviana — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 13, 33-37 — Asehoy anay, ry Tompo, ny famindram-ponao ! ary omeo anay ny famonjena avy aminao.
Zoma 04 désambra 2020 — Herinandro voalohany amin'ny Fiaviana — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 9, 27-31 — Indro avy ny Tompontsika miaraka amin’ny heriny, ary hohazavainy ny mason’ireo mpanompony.
Alarobia 02 desambra 2020 — Herinandro voalohany amin'ny Fiaviana — Evanjely Masina nosoratan'i Matio 15, 29-37 — Tongava, ry Tompo, ary aza ela ; vahao ny fatoran’ny vahoakanao.
Alatsinainy 30 nôvambra 2020 — Masindahy André, Apôstôly — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 4, 18-22 — Avia hanaraka Ahy, hoy ny Tompo fa hataoko mpanarato olona ianareo.
26 nôvambra — Teraka tao amin'ny diôsezin'i Brabant, Diest ao Belgique tamin'ny 13 marsa 1599 i Jean Berchmans. Nandalina ny fahalalana momba ny classiques tao Malines izy nanomboka ny taona 1612, tao amin'ny sekolin'ny zezoita.
25 nôvambra — Teraka manodidina ny taona 290, tao amin'ny fianakaviana andriana tao Alexandrie (Egypte), i Catherine, ary tao ihany no nodimandry, ny taona 307. Vehivavhy naraini-tsaina tokoa izy, ka ny fahalalana norantoviny sy nananany dia nahafahany nilahatra tamin'ireo pôeta sy filôzôfa nalaza tamin'ny fotoan'androny.
• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco