Zava-dehibe ny fandraisana anjara sy fanomezan-danja ny tsirairay eo anivon'ny fiaraha-monina. Ny Ivon-toerana Arrupe Madagasikara dia manana tetik'asa efatra ka isan'izany ny fikarohana sy fikirakirana tahirin-kevitra, mahakasika ny tontolo iainana, ny fampandrosoana lovain-jafy, ny hai-tondra sy ny hai-taky, eo koa ny fampiofanana. Ny fikarohana dia isan'ireo fototra lehibe entina handraisana fanapahan-kevitra mahomby ho an'ny fiaraha-monina sy ny firenena ; fitaovana entina mamantatra ny filàna sy ny zava-misy... Fandaharana "miaina sy mitia" eto amin'ny radio Don Bosco, iarahana amin'ny Ivon-toerana Arrupe Madagasikara.
Ny fanabeazana ny lafiny ara-po, fitiavana eo amintsika olombelona. Ny saina no mahatonga ny olona hahay handanjalanja ny mety sy ny tsy mety. Ny fo dia afahantsika olombelona maneho fitia. Ny fihetseham-po dia tonga tsikelikely ao amin'ny olombelona, ary mitoetra sy maharitra ; ny fientanam-po dia tonga eo ny eo ary tsy mateza, izany hoe mandalo. Sarotra ny fanabeazana sy ny fandraisana ny fanabeazana raha vao tsy hay ny mifehy ny fientanam-po. Fandaharana "ampela miary" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
Tsimok'aretina anisan’ny miparitaka be indrindra eto Madagasikara ny VIH/SIDA amin’izao fotoana. Tanora maro ary tsy mifidy saranga no voan’ity aretina ity. Antony iray mahatonga ny firoboroboany be loatra ny fivoaran’ny teknôlôjia sy ny fiparihan'ny zava-madomelina eto amintsika. Ny fandaharana dia hiarahana amin’ny Taranaka Sambatra sy ny Centre Arrupe Madagascar. Fandaharana "miaina sy mitia" eto amin'ny radio Don Bosco.
Manana ny anjara toerany amin’ny fihariana sy ny toekarena eny ambanivohitra ny fiompiana sy ny famokarana tantely. Manodidina 10.300 ny isan’ny mpiompy araka ny tarehimarika tamin’ny taona 2012, ary nisy zanatohatra tantely iray hetsy teo ho eo kosa nanerana an’i Madagasikara. Miovaova ny lanjan’ny vokatra nahondran’i Madagasikara.
Ao anatin'ny Herinandro Masina dia tokony hanana ny lanjany ny fanantenana sy ny famonjena, izay mifanaraka tsara amin'ny loha-hevitry ny fandaharana teo aloha. Ny fifananjana dia miainga amin'ny fomba fiankanjo, fiteny. Ny fifampitokisana no mitondra eo amin'ny fahamarinana mitarika fifankatiavana. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
Ny zoma 29 marsa no fahatrsiarovana ny tolom-panafahana ny Malagasy. Manana anjara toerana lehibe ny vehivavy manoloana ny tolom-panafahana sy ny fitiavana tanindrazana. Tanjona ny hampahafantarana ny zava-nisy tamin'izany taona 1947 izany, ary manana adidy amin'izany ny vehivavy satria koa ny ao an-tokantrano no hiantombohan'ny fanabeazana ny taranaka. Nanomboka ny 6 Aogositra 1896 dia lasa zanan-tany frantsay isika. Fandaharana "ampela miary" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
Ny raboka dia mbola misy ary betsaka ny olona matin'ity aretina ity. Ny raboka dia misy foana mandavantaona, avy amin'ny fidiran'ny otrik'atetina BK no iavian'ny aretina. Misy ny karazanà raboka mpahazo ny olona ary misy ireo mankarary ny omby. Ny avokavoka no tena taova matetika tafian'ity aretina ity. Mifindra amin'ny alalan'ny piti-drora, na rehoky ny marary. Ny fihotrehany ao amin'ny olona dia 4 hatrmin'ny 12 herinandro. Fandaharana "andriano ny fahasalamana" iarahana amin'ny Radio Don Bosco.
Manana anjara toerana lehibe eo anivon’ny fianakaviana ny fifandraisana eo amin’ny samy mpivady. Antoka iray mampirindra sy mampandroso ny fiainam-piankohonana izany. Ny fahasalaman’ny fianakaviana dia miankina indrindra ihany koa amin’ny fandrindram-piterahana manaja ny lalàna voajanahary. Fandaharana "miaina sy mitia" eto amin'ny radio Don Bosco, iarahana amin'ny Ivon-toerana Arrupe Madagasikasa.
Ny fanantenana dia ilaina foana eo amin'ny fiainana satria hananana tanjona, ary tsy misaraka amin'ny finoana na dia kely aza izany finoana izany hahavitana zavatra goavana. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
Ny fanabeazana eo anivon'ny ankohonana dia antoky ny fivelaran'ny zanaka, ary manana anjara toerana lehibe amin'izany ny vehivavy. Ny vehivavy mijanona, miasa ao an-trano dia afaka miarina sy miray hina hampandrosoana ny firenena. Misy voka-tsoa ny fijanoan'ny vehivavy na ny reny miasa ao an-trano, isan'ireny misy hafanana sy maresaka mandavantaona ao an-trano, mitombo kokoa ny fifandraisana. Fandaharana "ampela miary" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
Ny siatika dia aretin'ny hazon-damosina, ka ny retsika ao anatin'ny tsokan'ny hazon-damosona no tratry ny tsy fahasalamana, indrandra ny faritra ambanin'ny hazon-damosina. Ny asan'io retsika io dia miantoka ny fandrenesan'ny tapany ambany amin'ny olombelona. Ny olona 22 taona no miakatra no mety harary siatiaka ; antony : fahanteran'ny hazon-damosina, dona am-boina, miraikitra ny hazon-damosina, tsimok'aretina na otrik'aretina, homamiadana, raritsaina... Fandaharana "andriano ny fahasalamana" iarahana amin'ny Radio Don Bosco.
Mitohy ao amin'ny Kaominina Ambohitsilaozana, Ambohidava ary Imerimandroso any amin'ny Faritra Alaotra-Mangoro ny fandrakofana ala ny tetezan'ala Ankeniheny Zahamena ataon'ny Foibe FAFIALA. Tetik'asa dingana faharoa nankinin'ny Conservation Internationale amin'izy ireo...
• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco