Fahombiazana no azo amehezana ny Foara Iraisam-pirenena ho an'ny Toe-karena eny ambanivohitra (FIER MADA) andiany faha-26, natao teny amin'ny kianjan'i Makis Andohatapenaka, nandritra ny 5 andro. Afapo ireo tantsaha aévy amin'ny Faritra 24 nitondra ny vokany teto an-drenivohitra. Tonga marobe ny mpitsidika. Nahatratra 100.000 ireo olona nifamezivezy teny Andohatapenaka nandritra ny fotoana nanaovana ny Foara...

Tsy mbola lefy laza amin’ny maha sehatra goavana ihaonan’ny tantsaha mpamokatra sy ny mpanjifa, ireo teknisiana sy ny mpiara-miombon’antoka samihafa, ny Foara iraisam-pirenena ho an’ny toekarena eny ambanivohitra na ny FIER MADA. Mbola mahasarika olona maro koa na eo aza ny Tsenabe mifaninana aminy taty aoriana...

Mamaha olana an’ireo tantsaha mpikambana an’arivony ao aminy ny fijoroan’ny fikambanana Lanja Miakatra nandritra ny taona maro nijoroany. Fikambanana saro-piaro ary mampihatra ny famokarana ara-biolojia tsy mampiasa taharo simika amin’ny fambolena sy ny fiompiana ilofosan’izy ireo...

Fambolena miaro ny tontolo iainana : mahaliana ny tanora Tafita any amin’ireo tanora nahazo tohana ara-piofanana avy amin’nytambazotra iraisam-pirenena misehatra amin’ny fampiofanana amin’ny famokarana sy ny tontolo ambanivohitra na ny RI-FAR sy ny Réseau SOA ny fahaza-manao noratovin’izy ireo. Nahita tombotsoa ireo tanora nampihatra ny fambolena miaro ny tontolo iainana sy ny fitantanana ny rano tao amin’ny fikambanana Soa Mitsinjo
ao amin’ny kaominina Antanetibe Mahazaza ato amin’nydistrikan’Ambohidratrimo.

Ny fanabeazana olom-pirenena dia fampahafantarana azy ny zony. Ny hoe verezin-jo dia ireo olona ampidinina amin'ny laharana ambany noho izay efa misy azy. Tsy ny mpanao pôlitika irery no mila mandray andraikitra amin'ny fampandrosoana ny firenena fa ny olom-pirenena rehetra. Ny olona manam-bola ankehitriny no maro mitantan-draharaha fa tsy ireo olona nianatra sy manana traik'efa ; ilaina hampianarina any an-tsekoly ny "pôlitika" amin'ny maha hay fitantanana ny tanàna azy... Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.

Nilofo fatratra tamin'ny fiompiana kankana hamokarana zezika kankana ny fikambanana Lanja Miakatra nandritra ny 2 taona. Tsy mamihana samy irery ny voka-pikarohana ka nahitan'izy ireo tombotsoa ny mpitarika Ranaivoarison Basile na i Papa Bio. Maro ny voka-tsoa azon'ireo mpikambana amin'ny fampiasana ny zezika kankana...

Ny fotoana maha zatovo dia fotoana tsy maintsy lalovana ary fiolahana lehibe eo amin'ny fiainana satria fotoana mety hanaovana fitondrantena mety hitondra voka-dratsy eo amin'ny fahasalamana sy ny fiainana manontolo. Eto Madagasikara, miaina ao anaty tontolo tsy ahazoany fahasalamana ny tanora, mitontongana ny toekarena, ny fanabeazana, ny fiahiana ny ara-pahasalamana... Fandaharana "Miaina - Mitia" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

Manana ny anjara toerany lehibe ny tantaram-pirenena, izay mamolavola sy manomana ny olom-pirenena vanona, mahalala ny toerana sy ny andraikiny ary ny adidiny eo amin'ny firenena. Zava-misy ankehitriny anefa maro ny olona no tsy mahalala ny tantaran'ny firenena. Ny olona verezin-jo, ara-toekarena, ara-pitantanana, ara-panabeazana sy amin'ny lafin-javatra samihafa dia toy ny miaina ao anaty fanandevozana amin'ny endriny vaovao... Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.

Mamarana ny taon-tsekoly ny any am-pianarana, ary efa manomana sahady ny fandaharam-potoana ho an'ny taona manaraka. Ny sekolin'ny ray aman-dreny dia mitondra amin'ny fivoarana ho an'ny tsirairay sy ny sekoly ary ny mpanabe. Ireo mandrafitra ny telozoron'ny fanabeazana no tena hiantefan'ny sekoly ho an'ny ray aman-dreny, fanatsarana ny fifandraisan'ny ray aman-dreny sy ny mpampianatra ary ireo mpianatra... Fandaharana "Ampela Miary" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.

Mamondron-kery, miara-mientana miatrika ny fiovan’ny toetr’andro ireo kaominina miisa fito manamorona ny lalam-pirenena faha telo miainga eo Ambohimanga rova hatrany Anjozorobe. Nisy ny atrik’asa niarahana nandinihana sy nandrafetana ny drafitra paik’ady entina manatanteraka izany. Nandray anjara tamin’ny atrik’asa ny ben’ny tanàna, ny filohan’ny filankevitra kaominaly ary ireo mpitarika fikambanana samihafa eny ifotony. Atrik’asa nandritra ny roa andro nanomboka omaly nifarana androany tao amin’ny FTA na ny Farming and Technology for Africa eny Ambohimanga Rova...

Ny fanantenana vokatry ny fifankatiavana dia manasongadina ny herin’ny fitiavana amin’ny fanomezana hery sy fanantenana eo amin’ny fiainana. Afaka aseho amin'ny endriny maro izany fitiavana izany na eo amin’ny mpivady, na fianakaviana, na fiaraha-monina amin'ny alalan'ny fihetsika madinika isan'andro. Na dia eo aza nefa ireo sakana tsy havitana izany dia misy hatrany fomba hihoarana izany dia ny fialana amin’ny hambom-po sy fisokafana amin’ny hafa. Ny fifankatiavana matotra dia mitondra fiadanam-po, fitovian-danja, fivelarana iombonana ary fahaiza-miatrika ny sedra... Fandaharana "Miaina - Mitia" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

65 taona namerenana ny fahaleovan-tena ho an'ny Malagasy dia manalasala ihany. Raha oharina amin'ny fahaveloman'ny olona iray dia olona efa anatin'ny vanim-potoanan'ny maha ray aman-dreny, manana traik'efa sy afaka mampita soatoavina amin'ny manodidina sy ny ankohonana. Ny hoe "tanindrazana" dia tsy ilay tany ihany fa ny vohoaka eo aminy ihany koa. Fahaleovan-tena toy ny ahoana anefa no misy, ara-pifandraisana sy ara-piarovana, ara-toekarena?  Ny fanatanterahana ny filan-kevitry ny ministra mitety Faritra dia taratry ny fahaiza-miaina... Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 10 aogositra 2026

• Tontosa omaly ny fanamasinana ho pretra ireo diakra mirahalahy, avy amin'ny Fikambanana Saleziana Don Bosco... • Hotontosaina manomboka ny 16 hatramin'ny 23 aogositra 2026 ny Zaikabe sy ny Fivoriamben'ny Fanilon'i Madagasikara... • Hanatanteraka Famangiana Apostolika any France ny Papa Léon XIV, ny 25 hatramin'ny 28 septambra 2026...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...