Ny crampes dia fihenjanan'ny hozatra tsy ninihana, tampoka ary maharary, izay mikasika hozatra iray na vondron'ny hozatra. Mety hahazo ny hozatra rehetra ny crampe, fa matetika indrindra izy miseho amin'ny faritry ny rantsambatana ambany, indrindra amin'ny ranjo, ny valahana ary ny tongotra. Matetika miseho rehefa amin'ny fotoana fialana sasatra ny crampe, matetika amin’ny alina, na rehefa avy nanao ezaka ara-batana tsy mahazatra. Mifandray amin’ny fahatairan'ny hozatra sy ny nofo izy ity, ka mampikainkona ny hozatra tampoka tsinahy... Fandaharana "Andriano ny fahasalamana", tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
Mbola olana hoan’ny mpanao asa tanana vita amin’ny volibe na ny Bambou tsy ahafahan’izy ireo mivelatra eo amin’ny tsena iraisaisam-pirenena ny tsy fahampian’ny kalitao sy ny fenitra takiana amin’ny famokaran’izy ireo. Maro nefa ny firenena afaka mandray ny vokatra eto Madagasikara, toa an’i Seychelles sy La Reunion. Misy koa ireo manondrana any Eraopa...
Ny ho avy dia tsy zavatra andrasantsika fotsiny fa zavatra amboarintsika tsikelikely amin’ny zavatra ataontsika androany. Ny hoe tsy miandry fa mamorona dia tsy midika hoe mila mahavita zavatra lehibe avy hatrany fa mety ho fanombohana kely, mety ho fianarana zavatra vaovao, mety ho fizarana fahaizana, mety ho fanampiana olona iray, mety ho hevitra iray izay mbola kely androany, fa mety hitombo rahampitso. Afaka manomboka amin’ny fampiasana ny fahaizako hanampiana olona iray aho. Mety ho fizarana fahalalana, fampianarana zavatra haiko, fanampiana olona iray hanomboka tetikasa, na famoronana serivisy kely mamaha olana iray...
Ny faharanitan-tsaina dia olona mety ho tompon-toerana fotsiny ; ny olona manana rafi-tsaina no tompon'andraikitra, ireo anefa dia afaka mifameno. Ny fanabeazana dia fanomanana olona ho tompon'andraikitra izay mitereka vokatra tsara izay tena fahavanonana ; fa ny fitaizana kosa dia fampitàna fahalalana ho tonga fahaizana mba hatonga azy hahazo asa na toerana. Eo amin'ny 15 taona eo no fametrahana rafi-tsaina ao amin'ny olona iray. 11 hatramin'ny faha-15 taona no misokatra ny maha izay ny olona iray, koa eo no tena ilàna fifankahazoana sy fifampiresahana, ary hamantarana ny safidy sy talenta ao amin'ny zanaka... Fandaharana "Mba ho vanona" iarahana amin'ny Jeneraly Désiré Ramakavelo...
Isany olana goavana sedrain’ny tantsaha eto Madagasikara ny tsy fahitana ny lalambarotra amin’ny vokatr’izy ireo. Sehatra nampifandraisana ny tantsaha mpamokatra sy ny orinasa mpanodina ny vokatra, ary nikatsahana lalambarotra vaovao hoan’ny mpamokatra ny tsenabe iraisampirenena momba ny Fambolena na FIA andiany faha valo, nampiarahina tamin’ny festivala iraisampirenena momba ny sakafo andiany faharoa...
Ny sosona ôzônina dia manana anjara lehibe amin’ny fiarovana ny tany amin’ireo taratra ultraviolet (UV) mampidi-doza avy amin’ny Masoandro. Ny fahasimban’io sosona io dia mety hampitombo ny fiparitahan’ireo taratra ireo sy hisy fiantraikany amin’ny fahasalaman’ny olombelona. Noho izany, ilaina ny fahafantarana ireo loza mety hateraky ny fahasimban’io singa io sy ny fandraisana fepetra tsotra mba hiarovana ny fahasalaman’ny tsirairay sy ny fianakaviana. Mifototra indrindra amin’izany ity fandaharana ity...
Toa ny olona sembana ary manana olana eo amin'ny fiainany izay tsy miaina ny fitiavana izay endrik'Andriamanitra ao amin'ny olombelona. Ny fitiavana dia azo adika ho hery anaty. Ny fampitahorana sy fanapepoana no mahatonga ny tsy fahatokisan-tena sy ny tsy fivelarana ; mba ho tena fanabeazana mahomby dia ilay ny teny famporisihana, lavitry ny fampitahana amin'ny hafa. Manampy amin'ny fanehoana fitiavana ny fifampiresahana, fifanankalozan-kevitra ary ny teny famporisihana, indrindra ny fanokanana fotoana ho an'ny ankohonana... Fandaharana "Mba ho vanona" iarahana amin'ny Jeneraly Désiré Ramakavelo...
Ny herisetra ao an-tsekoly dia matetika mitranga, maro anefa ireo tsy mahalala ireo voasokajy ho herisetra. Ny herisetra dia tranga misy avy ety ivelany miantefa amin'ny olona iray ka mitondra fijaliana sy fanaintainana, ao anaty indrindra indrindra. Ny herisetra araka izany dia misy karazany maro : ara-batana, ara-moraly. Mety hiteraka ratra anaty sy ao am-po, mampihorohoro ny saina. Tsy mahakasika irery ny mpianatra ny herisetra ao an-tsekoly fa mahakasika ireo voaresaka manodidina ny telozoram-panabeazana... Fandaharana "Ampela Mihary" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.
Ho hitan’ny mpanjifa ato ho ato ny mari-pamantarana na ny label ahalalana ny vokatra avy amin’ny ronono vokarin’ireo mpamokatra ao amin’ny Malagasy Dairy Board na ny MDB. Eo ampanomana izany amin’izao fotoana izao ny tompon’andraikitra. Lalana iray ahafahana manome antoka ny mpanjifa izy io hoy ny filohan’ny filankevi-pitantanana Safidy Rabemananjara fa manaraka ny kalitao sy ny fenitra ara-pahasalamana ny vokatra atolotra azy ireo. Te hametraka sy hisitona ny sain’ny mpamokatra sy ny mpanodina ary ny mpiatsehatra rehetra amin’ny lalam-pihariana ronono ny MDB fa vokatra fantatr’olona ny vokatra voamarina...
Ny fanabeazana ny maha-olona manontolo no fototra hanorenana olona mendrika sy fiaraha-monina mandroso. Tsy ny fanomezana fahalalana fotsiny ihany no tanjona fa ny fananganana olona manana fo, saina ary fanahy vonona hanompo ny hafa ary hanorina ny ho avy. Raha te hanana Madagasikara mandroso isika dia tsy maintsy manabe olona feno : mahay, marina, tia tanindarazana, manaja ny hafa ary matahotra an’Andriamanitra. Aza avela ho very ny taranaka noho ny tsy firaharahiana ; ny fanabeazana ataontsika anio no endriky ny firenena ho hitantsika rahampitso....
Tsy afaka miaina tsy misy fitiavana ny olombelona ary raha tsy misy ny fitiavana dia misy ho azy ny olana. Ny fitiavana no endrik'Andriamanitra mampitovy ny olombelona amin'ilay Nahary. Ny fo sy ny saina miaraka no tonga ho fanahy, izay maha-olona. Ny onjan'ny firaisan-tsaina dia misy ao amin'ny olona, efa hatramin'ny fotoana niforonany tao am-bohoka ; eo amin'ny 1,5 metatra eo ny elanelana afahana miaina sy mampita ny onjan'ny firaisan-tsaina, izay mampisy ny fifampatokisana sy ny fifanajana ary ny fifankatiavana. Fandaharana "Mba ho vanona" iarahana amin'ny Jeneraly Désiré Ramakavelo...
Eo amin'ny vanim-potoanan'ny fahatanorana no tena manano sarotra ny dingana, eo amin'ny fitohizanaina sy ny fanajana ny aina. Dingana tsy maintsy lalovana anefa ny fahatanorana, izany hoe ireo 17 hatramin'ny 25 taona, koa ilaina ny fahaizana miaina izany mba ho handram-piainana entina miatrika ny fiainan-tokantrano. Raha hitandro ny aina isika dia ny fikolokolina ny vatana no voalohany, ohatra ny momba ny sakafo, mba hasalamana... Fandaharana "Ampela Mihary" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.
• Nomarihana ny sabotsy 12 sy alahady 13 septambra 2026 teo ny faha-50 taonan'ny Fiombonan'ny Mpanokatena ao amin'ny Arsidiosezin'i Fianarantsoa... • Manentana amin'ny fanorenana ny fianakaviam-ben'ny olombelona, amin'izao vanim-potoanan'ny saina voatran'olombelona izao, ny Papa Léon XIV... • Miantso ny mpino, handray andraikitra amin'ny fifidianana ny eveka any Bosnie...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco